Archives quotidiennes: 4 février 2020

Collectif Tany sy CRAAD – OI : maneho ny ahiahiny manoloana ny tetikasa Bas Mangoky

0
Manoloana ny fampitam-baovao navoaky ny Ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena ary ny Jono ny volana Janoary lasa teo, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Collectif Tany sy ny CRAAD-OI naneho ny ahiahin’izy ireo. Isan’ny teboka mampiahiahy azy ireo ny resaka tany sy ny fiainan’ireo mponina voakasik’izany.

Toerana fametrahana dabam-pako : feno fotodrafitr’asa avokoa

0
Tojo fahasahiranana ny SAMVA amin’ny toerana hasiana ny dabam-pako eto Antananariso renivohitra. Antony, misy fotodrafitr’asa avokoa ny toerana fametrahana azy ireny. Raha 400 no isan’ny dabam-pako izay samy nanana ny toerany tany aloha, tsy misy hafa-tsy 272 sisa amin’izao fotoana.

Tolokevitra amin’ny fifidianana governora : miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta

0
Taorian’ny tolokevitra nomen’ny filohan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana amin’ny tokony irosoan’I Madagasikara amin’ny fifidianana isaky ny faritra,nanambara ny filohan’ny CENI fa miankina amin’ny fanapakevitry ny governemanta ny fanantanterahana izany hatreto. Ankoatry ny fanapakevitry ny governemanta, miankina ihany koa amin’ny fisian’ny lalàna mifehy ny fifidianana mazava.

« Caméra de surveillance » : hasiana avokoa ireo faritra mena eto Antananarivo Renivohitra

0
Hametrahana « Caméra de surveillance » ireo toerana rehetra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo renivohitra hoy ny teo anivon’ny OTME. Maro ireo vokatra efa azo hatreto, na teo amin’ny fifamoivoizana na ny tsy fandriam-pahalemana raha ny tatitra voaray.

Filohampirenena : nitondra fanampiana ireo traboina tany Alaotra Mangoro

0
Nidina tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ity androany ity ny filohampirenena mivady nankahery sy nitondra fanampiana ireo traboina tany an-toerana. Hovatsiana masimboly ireo tantsaha vokatry ny fiarahamiasa amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny Pam raha ny fanazavana.