Archives quotidiennes: 5 février 2020

Antananarivo renivohitra : ho mafy ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna

0
Ho mafy ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, indrindra ho an’ireo fiara. Naato ihany koa ny fanomezan-dalana ho an’ny fanotofan-tany ary haverina ho jerena na mifanaraka amin’ny lalàna na tsia ireo izay nahazo alàlana taloha.

Fifidianana Ben’ny tanàna : miisa 150 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana

0
Miisa 150 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny androany mangataka fandravana ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo raha ny nambaran’ny commissaire Général de la Loi etsy Anosy.

Tetibola – Kaominina Antananarivo Renivohitra : nanazava ny Ben’ny tanàna

0
Nihaona tamin’ireo mpanolontsainan’ny kaominina Antananarivo androany ny benin’ny tanàna vaovao nitondra fanazavana mikasika ny teti-bolan’ny kaominina amin’ity taona 2020 ity. Teboka maromaro no nohamafisiny nandritra izany toy ny fampandrosoana ny lafin’ny fahasalamana, sy ny fampianarana ho an’ny mponina eto an-drenivohitra ao anatin’ity teti-bola ity.

JIRAMA : miroso amin’ny fametrahana ny angovo azo havaozina

0
Tanana efatra no hisitraka herinaratra azo avy amin’ny masoandro 100% tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara. Ny vondrona « LIDERA » miorina atsy Maorisy no hiara-hiasa amin’ny JIRAMA ao anatin’izany izay tafiditra amin’ny vinan’ny filoham-pirenena.