Archives quotidiennes: 6 février 2020

« Panneau de signalisation » : misy mangalatra ireo vao napetaka

0
Misy mangalatra ireo Panneau de signalisation vao napetraka hoy ny talem-paritra Analamanga misahana ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Miteraka lozam-pamoivoizana maro anefa ny tsy fisian’izy ireny hoy ny mpampianatra mamily fiara nanaovana fanadihadiana.

Governoram-paritra : andrasana ny fanendrena ireo 11 sisa tavela

0
Ny fanendrena ireo governoram-paritra miisa 11 ho an’ireo faritra izay tsy mbola manana izay no andrasan’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao taorian’ny fanendrena ny mpikambana teo anivon’ny governemanta. Ny governora izay tokony hanakaiky ny vahoka raha ny nambaran’ireo solombavambahoaka.

Fizarana “titre foncier” : nahazo ny anjarany ny kaominina Mananjara

0
Mitohy hatrany ny ady atao amin’ny olan’ny aditany. Titre foncier miisa 500 indray no nozaraina tao amin’ny kaominina Mananjara ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo androany. Fizarana titre sy karatany faobe izay hitohy manerana ny Nosy.

05 Febroary 1975 : nandraisan’ny RATSIMANDRAVA fahefana

0
Feno 45 taona anio no nanolorana ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana an’i kolonely RATSIMANDRAVA Richard. Izy izay nanam-pahavalo teto amin’ny firenena raha ny nambaran’ireo mpahay tantara noho ireo asa vitany nandritra ny fitondrana. Tsy fantatra mazava hatrato ny tena nahafaty azy.