Archives quotidiennes: 7 février 2020

Tetikasa – Bas Mangoky : ho tombontsoan’ny Malagasy hoy ireo Solombavambahoaka

0
Tsy fivarotana tanindrazana ary tsy manimba ny fiveloman’ireo mponina any Bas Mangoky ny tetikasa fanitarana ny toeram-pambolena any an-toerana izay hiarahan’ny fanjakana miombon’antoka amin’ny orinasa vahiny. Izay no fanambaran’ny voamieran’ny fambolena eo anivon’ny Antenimierampirenena izay nanatanteraka fidinana ifotony tany an-toerana.

« Code de bonne conduite » : isany hitsarana ireo minisitra amperin’asa

0
Isany fepetra noraisina hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fomba fitantanana ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fametrahana « Code de bonne conduite » izay nosoniavin’ireo minisitra rehetra. Mety hiteraka fanesorana azy amin’ny toerany ny tsy fanarahana izany raha ny nambaran’ny minisitra mpitondratenin’ny governemanta.

FMI : « Ilaina ny fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana »

0
Taorian’ny famaranana ny fampindramam-bola nomen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena an’i Madagasikara, nahomby ny fiaraha-miasa raha ny fanazavan’ny solontena maharitry ny FMI eto Madagasikara androany. Teboka maromaro anefa no mbola mila fanatsarana, isan’izany ny fampitomboana ny fampidiram-bolam-panjakana.

Vondrona Eropeana : nandray anjara feno tamin’ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa simba

0
Niteraka fahasimbana sy fahapotehana maro teto Madagasikara, indrindra ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara ny fandalovan’ilay andro ratsy farany teo. Nanetsika dispositif d’urgence ho an’ny asa fanarenana ny Vondrona Eropeana izay miara-miasa akaiky amin’ny ministera tomponandraikitra.

Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : nanao hetsika andrana

0
Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fisokafan’ny serananam-piaramanidina iraisam-pirenena vaovaon’Antananarivo ny mpisehatra rehetra miasa eny an-toerana ankehitriny. Nisy araka izany ny hetsika andrana vaovao, izay notarihin’ny ekipa ORAT tao amin’ny Ravinala Airports ny zoma 31/01/2020, izay notronin’ireo manam-pahefana eto an-toerana.