Archives quotidiennes: 12 février 2020

CUA : mana-meloka ireo fanaparitahana vaovao tsy marina

0
Nandiso tanteraka ny feo niely teny anivon’ny tambazotran-tserasera mahakasika ny onitra alaina amin’ireo mpivarotra amoron-dàlana ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra androany. Tsy azo ekeny hoy izy ireo ny fanaparitahana vaovao tsy marina sy ny fanakorotanam-bahoaka.

Praiminisitra NTSAY Christian : tsy mbola misy voan’ny Coronavirus eto Madagasikara

0
Tsy mbola misy trangana Coronavirus eto Madagasikara hoy ny Praiminisitra NTSAY Christian tamin’ity androany ity. Fanarahana ny fepetra no natao tamin’ireo olona noahiahiana. Ankoatra izay, nambarany ihany koa fa mandeha araka ny tokony ho izy ny dinika, mankany amin’ny fahazoana ireo nosy Malagasy.

Nahafatesan’i Kolonely RATSIMANDRAVA : feno 45 taona androany

0
Feno 45 taona androany ny nahafatesan’i Kolonely RATSIMANDRAVA, filoham-panjakana ny taona 1975. Olo-manan-kaja ambony sivily sy miaramila maro eto amin’ny firenena no nanatrika ny lanonam-pahatsiarovana izany teny Ambohijatovo ambony.

« Immunité parlementaire » : tsy natao ho fialokalofana

0
Hatao famotorana etsy amin’ny Section des Recherches Criminelle ny lisitra faharaoan’ny solombavambahoaka teo aloha RAVELOSON Ludovic amin’izao fotoana izao. Nangataka ny hamoahana azy kosa ny mpisolovava azy noho ny fananan’ny Immunite parlementaire taorian’ny didy navokan’ny HCC omaly. « Immunite parlementaire » izay tsy manankery hoy ny mpahay lalàna, raha nisy heloka nataony teo aloha.

Fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana : tsy homena ny tsy miankina

0
Tsy homena orinasa tsy miankina ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana hoy ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana tamin’ity androany ity. Nambarany ihany koa fa ho fantatra amin’ity taona ity ny paikady entin’ny fanjakana hanatsarana ny fitsinjarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana.