Archives quotidiennes: 14 février 2020

Fitaterana an’habakabaka : hampiasa vola ao amin’ny Air Madagascar ny CNAPS

0
Manoloana ny tsy fahombiazan’ny fiaraha-miasan’i Air Madagascar sy Air Austral, paikady hafa indray no fantatra amin’izao fa hapetraky ny fanjakana. Na mbola tsy nahazoana fanambarana ofisialy aza sy mbola tsy nandalo teo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar aza, fantatra fa manana fikasana hampiasa vola ao amin’ny Air Madagascar ny orinasa CNAPS .

Fampielezana vaovao tsy marina : maro ireo olona karohina ankehitriny

0
Miha-mahazo vahana indray ny fanelezana vaovao tsy marina sy fifampiantsiana tao anatin’ny tambazotran-tserasera tato ho ato. 15 hatreto ny fitoriana voarain’ny sampandraharaha miady amin’izy ireny, ary maro ireo olona karohina.

Fametrahana « Fonds souverain » : tombony ho an’ny toekarena raha tsara tantana

0
Fomba iray hahafahana miala amin’ny findramam-bola amin’ny mpamatsy vola ny fametrahana ny “fonds souverain” ary hahazoana tombony ara-toekarena ao anatin’ny fotoana fohy. Izay raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny CREM androany manoloana ny fikasan’ny fanjakana Malagasy hametraka izany hanatanterahana ireo tetikasam-panjakana maro.

RAVOAVY Nandrasanarisoa Zafisambatra : namaritra ny ho aviny fony mbola kely

0
Raha vao herotrerony I RAVOAVY Nandrasanarisoa Zafisambatra dia efa hita soritra ny hoaviny tao amin’ny fiainana maha-miaramila. Efa dingana maro anefa amin’ny izao no efa vitany raha nilomano tao anatiny asa maha-miaramila azy nadritra ny 39 taona. Ao anatin’ity zana-pandaharaha “Lalam-piainana” ity no hanarahanao ny mahakasik’izay.

Rova MANJAKAMIADANA : ho vitaina mialohan’ny 26 jona ny fanarenana

0
Tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana ny Filoha Andry RAJOELINA androany 13 febroary 2020. Tsy maintsy haverina amin’ny laoniny tahaka ny endriny teo aloha ny Rovan’i Manjakamiadana ary ho vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ny fanarenana.