Archives quotidiennes: 18 février 2020

Hala-jaza – Anosibe Andrefana I : mbola tsy mazava ny toe-draharaha

0
Mifamaofao ny toe-draharaha momba ilay resaka hala-jaza nitranga omaly teny Ansoibe Andrefana I. Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety androany, misy ny milaza fa toerana handevenana ilay zazakely no nampiady ireo ray aman-dreniny ka ilay raim-pianakaviana no nitondra ilay zaza nitsoaka.

Mpisolovava an’i Ny Rado RAFALIMANANA : niaiky ny tsy fisian’ny ICAFE

0
Manoloana ny fampiantsoana an’andriamatoa Ny Rado RAFALIMANANA teo anatrehan’ny fampanoavana androany maraina, nanambara ny mpisolovava azy fa efa nilamina teo anivon’ny pole anti corruption ny raharaha, fa fanarahana ny paik’ady ara-pitsarana fotsiny ny fahatongavana teny amin’ny tribonaly anosy androany.

Fanamboarana ny kianja Barea : vita ny volana Jona izao ny tapany voalohany

0
Tetikasa goavana 2 hanamarika ny 5 taona voalohany hitondran’ny filoha Andry Rajoelina ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo sy ny fanamboarana ny kianja Barea etsy Mahamasina. Taorian’ny fitsidihana ny Rova , nitsidika ny fizotry ny asa etsy Mahamasina ihany koa ny filoha. Ity farany izay nanamafy fa ho vita mialohan’ny 26 Jona izany.

Paik’ady fitsarana : niha-nihemotra eo amin’ny fangaraharana

0
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpisolo vava sisa velona nandritry ny fitsarana ny raharaha Ratsimandrava tamin’ny 1975, namboraka ny mampiavaka ity raharaham-pitsarana ity. Tamin’izany indrindra no nanambarany fa tsy mangarahara intsony, ary tsy manome fahafaham-po ny vahoaka hahafantatra ny tena marina ny fitsarana ankehitriny, raha oharina amin’ny teo aloha.