Archives quotidiennes: 19 février 2020

Antoko MMM : nanome fiofanana ho an’ireo Ben’ny tanàna

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny atrik’asa fanomezana fiofanana ho an’ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko MMM. Hiompana manokana amin’ny fandinihana ny mahakasika ny fitantanana ny teti-bola sy fampitomboana ny loharanom-bola ny atrik’asa.

Fandrindrana ny vokatra : hapetraka ny « Conseil National de la Vanille »

0
Mbola tsy mari-toerana ny vidin’ny lavanila avy aty Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena hatreto. Ankoatran’ny tsy fisian’ny fandrindrana ny sehapihariana amin’ny ankapobeny, lesoka ny tsy fitovian’ny taompiotazana sy ny marohafa. Hanaramaso akaiky izany ny minisitera tomponandraikitra manombok’izao ka isany hapetraka handrindrana ny sehapihariana ny CONSEIL NATIONAL DE LA VANILLE.

Antananarivo renivohitra : hohamafisina ny fiahina ara-tsakafo

0
Miteraka fiovan’ny vidin'etana eny an-tsena ny fiovan'ny toetr’andro. Misy Araka izany ny tetikasa hapetraka ho fanatsarana ny fiahina ara-tsakafo eto Antananarivo renivohitra. Tsy ny vahaolana maika no ilaina, fa ny vahaolana maharitra hoy ny ben'ny tanànan’Antananarivo renivohitra.

Fikambanan’ny ben’ny tanàna Bongolava : mangataka governora avy any an-toerana

0
Manoloana ny feo miely mahakasika ny mety ho fanendrena governora any amin’ny faritr’i bongolava, mangataka ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna any amin’ity faritra ity mba ho olona mahalala tsara an’i Bongolava sy ny mponina ao aminy no hotendrena eo amin’izany toerana izany. Olona mahalala ny faritra no afaka mampandroso azy araka ny tanjona napetraka.

« Compteur Jirama » : misy tambazotra mpisoloky

0
« Compteur Jirama » maro no lasan’ny mpisoloky eny amin’ny fokontany Nanisana, ka tokantrano maro no tsy misitraka jiro vokatr’izay. Fisandohana andraikitra sy fisolokiana izany hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama.