Archives quotidiennes: 21 février 2020

Fanamboaran-dàlana eto Madagasikara : nanao fanamby ny Minisitra Hajo ANDRIANAINARIVELO

0
Nanao fanamby manoloana ny mpanao gazety ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Hajo ANDRIANAINARIVELO androany fa ho betsaka lavitra mihoatra ny vitan’ireo teo aloha ny làlana hamboarina mandritra ny fotoam-pitondran’ny Filoha Andry RAJOELINA. Nasiany resaka ihany koa ny fanomanana ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha 10 sy ny faha 13.

Vola ho an’ny fonenanan’ny minisitra : tsy tokony hihoatry ny voalazan’ny lalàna

0
Mizara 3 mazava tsara ny safidy ho an’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, ny amin’ny trano honenany, araky ny fanazavan’ny « Directeur du Patrimoine de l’Etat » androany. Ny fonenana amin’ny trano natokan’ny fanjakana ho amin’izany, ny fampanofan’ny fanjakana trano azy, ary ny lelavola solon’ny trano honenana. Raha ny fanadihadiana natao, manodidina ny 3 tapitrisa ariary io lelavola io isam-bolana hatramin’izay, ary tsy tokony hihoatry ny efa voalazan’ny lalàna.

Haute Cour de Justice : tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Efa eny ampelatanan’ny Antenimierampirenena avokoa ireo antontan-taratasy 13 avy eo anivon’ny HCJ mahakasika ny raharaha maha voasaringotra ireo mpitondra teto amin’ny firenena teo aloha. Androany maraina no tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana mandrafitra ity rafi-pitarana ity.

Frantsa – Madagasikara : nanolotra 240 Tapitrisa Euros ny firenena Frantsay

0
Tonga eto Madagasikara ny tolakandro teo ny minisitra Frantsay misahana an’i Eropa sy ny raharaham-bahiny, Jean-Yves Le Drian, ary avy hatrany dia noraisin’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA teny Iavoloha. Nanambara ny Minisitra Frantsay Le Drian fa hisy famatsiam-bola mitetina 240 Tapitrisa Euros ho an’ny 4 taona manaraka, hanohanana ny Drafi-pampandrosoana an’i Madagasikara.

Ampahan-dalana amin’ny RN2 sy RN3 : nahemotra ny « réception provisoire »

0
Taorian'ireo tsy fahatomombanana maro hitan'ireo teknisiana sy mpanara-maso avy amin'ny MATP, nahemotra ny « réception provisoire » ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-3 izay nataon'ny orinasa Colas. Ity farany izay nomena fe-potoana 1 volana hamitana an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra.