Archives quotidiennes: 25 février 2020

Coronavirus : naverina any Italie avy hatrany ilay fiaramanidina raha nigadona tao Maorisy

0
Naverina any Italie avy hatrany ialy Fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Alitalia rehefa nigadona tao amin’ny Nosy Maorisy ny maraina teo. Naverina niaraka taminy ihany koa ireo mpandeha avy any « Lombardie » sy « Vénétie ». I Italie izay isan’ny faritra nahitana ny soritr’aretina be indrindra aorian’i Chine sy Korea Atsimo ary i Iran.

« Titre faobe » Ankazobe : 230 ireo nisitraka ny ampahany voalohany

0
Olona maherin’ny 200 no nahazo Titre n’ny taniny tao amin’ny distrikan’ Ankazobe, tamin’ny alalan’ny fizarana Titre faobe. Ampahany voalohany ity fizarana notontosaina androany ity, ary mbola hisy ny fizarana manaraka sy ny fepetra ho raisina, entina hanatratrarana ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana, ny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fananan-tany eto Madagasikara. Fanadihadiana.

Vonjy aina: nisitraka rano sy tohana ara-tsakafo ny mponina any Atsimo

0
Miisa 9 ireo toerana tany Atsimo notsidihin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritry ny hetsika Vonjy aina manoloana ny hain-tany sy ny firongatry ny tsy fanjarian-tsakafo . Fitsidihina izay notontosainy tao anatin’ny 2 andro , ny 22 hatramin’ny 23 Febroary. Vahaolana maromaro no napetraka tamin’izany .

Fitsinjaram-pahefana : kaominina miisa 387 nahazo tohana avy amin’ny tetikasa PAPSP

0
Kaominina miisa 387 no nisitraka fanampiana ara-bola avy amin’ny tetikasa PAPSP, entina hampandrosoana ny eny ifotony. Vola mitentina 5 805 000 000 Ariary no hotsinjaraina amin’ireo kaominina ireo izay vatsin’ny banky iraisam-pirenena.