Archives quotidiennes: 26 février 2020

« Redressement fiscal » amin’ny orinasa : fomba fiasa ara-tsiantifika no nampiharina

0
Tsy misy kiantrano an-trano na faminganana orinasa sasany ny « Redressement fiscal » hoy ny tale jeneralin’ny hetra. Fomba fiasa ara-tsiantifika no hampiarina manomboka izay hentina hanatsarana ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara.

Saritany Madagasikara : nahitana fiovana lehibe ny lafin’ny tontolo iainana

0
Nahitana fiovany ny Saritany Madagasikara tato anatin’ny taona maromaro. Anisan’ny ahitana fiovana lehibe indrindra amin’izany ny eo amin’ny lafiny tontolo iainana, eo ihany koa ny fisian’ireo fotodrafitr’asa vaovao mahatonga ny fiovan’ny endrikin’ny Saritany.

RN44 : misy ny asa vonjy maika atao hampitohy ny fifamoivoizana

0
Na anatin’ny fotoanan’ny rotsak’orana aza, misy ireo fanamboaran-dalana vonjimaika atao amin’ny lalam-pirenena faha-44 iny, hampandeha hatrany ny fifamoivoizana. Ampahan-dalana isany ratsy indrindra ary ahitana fiara mihitsoka matetika amin’iny lalam-pirenena iny arak’izany no namboarina tato anatin’ny 2 andro.

Famatsiam-bola 15 000 000 Ariary : hahazo avokoa ireo Kaominina 1 695 manerana ny Nosy

0
Tohin’ny vola fanampiana ireo kaominina avy amin’ny fitondram-panjakana. Fantatra izao fa ho fanatsarana ny fomba fitantanam-bola sy ny fomba fiasan’ny kaominina sy ho fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fampandrosoana no isan’ny tanjona nanomezana ireo kaominina miisa 387 ny fanampiana izay mitentina 15 000 000 Ariary isaky ny kaominina raha ny fanadihadiana natao.