Archives quotidiennes: 28 février 2020

Fivadiham-pitokisana : vola hatrany amin’ny 6 Miliara Ariary no voahodikodina

0
Teratany Malagasy iray no karohina fatatra amin’izao fotoana noho ny fanodikodinam-bola sy ny fivadiham-pitokisana teo amin’ny orinasa Indianina iray any Nosy Be Dzamandzar. Io teratany Malagasy io izay nisandoka ho tompon’ilay orinasa ary nandrahona ho faty ireo mpampiasa vola.

Antenimiera : hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana ireo didy hitsivolana

0
Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo Antenimiera roa tonta hanomboka ny faha 4 ny vola Martsa ho avy izao araka ny fiantsoana avy amin’ny fitondram-panjakana. Handinika sy handany ireo didy hitsivolana noraisin’ny filohampirenena nandritra ny fahabagan-toerana teo anivon’ny antenimierampirenena no anton’ity fivoriana ity.

Tetikasa PRODUIR : vahaolana hisorohana ny tondra-drano eto Antananarivo

0
Hosorohana amin’ny alalan’ny tetikasa PRODUIR tontosain’ny fitondram-panjakana ny tondra-drano eto Antananarivo ary harovana ireo faritra marefo. Mizotra araky ny tokony ho izy amin’izao fotoana ny asa amin’izany. Isan’izany ny fanesorana fotaka amin’ny Canal C3, fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny kaominina voakasika. Etsy ankilany, efa mandeha ihany koa ny dingana « expropriation » amin’ny fananan’olona voakasiky ny tetikasa.

Fitaterana : hentitra ny fanaraha-maso ny fifamezivezena eto Madagasikara

0
Manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus amin’ireo firenena maro ankehitriny, nohamafisina sy nandraisana fepetra hentitra ny fifamezivezena avy ivelany miditra eto Madagasikara araky ny fanazavana nentin’ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany, ny famatarana ny toetr’andro nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany.