vendredi 26 avril 2024
Accueil 2020 février

Archives mensuelles: février 2020

RN44 : misy ny asa vonjy maika atao hampitohy ny fifamoivoizana

0
Na anatin’ny fotoanan’ny rotsak’orana aza, misy ireo fanamboaran-dalana vonjimaika atao amin’ny lalam-pirenena faha-44 iny, hampandeha hatrany ny fifamoivoizana. Ampahan-dalana isany ratsy indrindra ary ahitana fiara mihitsoka matetika amin’iny lalam-pirenena iny arak’izany no namboarina tato anatin’ny 2 andro.

Famatsiam-bola 15 000 000 Ariary : hahazo avokoa ireo Kaominina 1 695 manerana ny Nosy

0
Tohin’ny vola fanampiana ireo kaominina avy amin’ny fitondram-panjakana. Fantatra izao fa ho fanatsarana ny fomba fitantanam-bola sy ny fomba fiasan’ny kaominina sy ho fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fampandrosoana no isan’ny tanjona nanomezana ireo kaominina miisa 387 ny fanampiana izay mitentina 15 000 000 Ariary isaky ny kaominina raha ny fanadihadiana natao.

Coronavirus : naverina any Italie avy hatrany ilay fiaramanidina raha nigadona tao Maorisy

0
Naverina any Italie avy hatrany ialy Fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Alitalia rehefa nigadona tao amin’ny Nosy Maorisy ny maraina teo. Naverina niaraka taminy ihany koa ireo mpandeha avy any « Lombardie » sy « Vénétie ». I Italie izay isan’ny faritra nahitana ny soritr’aretina be indrindra aorian’i Chine sy Korea Atsimo ary i Iran.

« Titre faobe » Ankazobe : 230 ireo nisitraka ny ampahany voalohany

0
Olona maherin’ny 200 no nahazo Titre n’ny taniny tao amin’ny distrikan’ Ankazobe, tamin’ny alalan’ny fizarana Titre faobe. Ampahany voalohany ity fizarana notontosaina androany ity, ary mbola hisy ny fizarana manaraka sy ny fepetra ho raisina, entina hanatratrarana ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana, ny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fananan-tany eto Madagasikara. Fanadihadiana.

Vonjy aina: nisitraka rano sy tohana ara-tsakafo ny mponina any Atsimo

0
Miisa 9 ireo toerana tany Atsimo notsidihin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritry ny hetsika Vonjy aina manoloana ny hain-tany sy ny firongatry ny tsy fanjarian-tsakafo . Fitsidihina izay notontosainy tao anatin’ny 2 andro , ny 22 hatramin’ny 23 Febroary. Vahaolana maromaro no napetraka tamin’izany .

Fitsinjaram-pahefana : kaominina miisa 387 nahazo tohana avy amin’ny tetikasa PAPSP

0
Kaominina miisa 387 no nisitraka fanampiana ara-bola avy amin’ny tetikasa PAPSP, entina hampandrosoana ny eny ifotony. Vola mitentina 5 805 000 000 Ariary no hotsinjaraina amin’ireo kaominina ireo izay vatsin’ny banky iraisam-pirenena.

MMM Manandriana

0
Tontosa tao amin’ny kaominin’i MANANDRIANA distrikan’Antananarivo Avaradrano androany ny lanonana ara-pomba ofisialy nametrahana ny Ben’ny Tanàna ao antoerana. Ainga vao amin’ny fampandrosoana an’i Manandriana izao hoy ny ben’ny Tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenany ka isany toky nomeny ny mponina ny fametrahana ny fitantanana mangarahara.

Billet

0
Mihoatra 5 hatramin’ny 10% amin’ ny vidin’ny tapakila na ny billet d’avion amin’ireo Nosy hafa ny vidin’ny tapakila eto Madagasikara rehefa fotoanan’ny fahatongavan’ny mpizahantany. Isany manakana ny fampitomboana ny mpizahantany miditra eto amintsika io raha ny fanazavan’ny

Zaimaika

0
Taorian’ny firodanan’ny tafon’ny zaimaika etsy Analakely, tonga teny an-toerana ny avy eo anivon’ny mpamonjy voina nanala ireo mbola atahorana ihotsaka. Mila fanamboarana ity toerana ity nohon’ny fahanterana raha ny fanazavana.

Fanamboaran-dàlana eto Madagasikara : nanao fanamby ny Minisitra Hajo ANDRIANAINARIVELO

0
Nanao fanamby manoloana ny mpanao gazety ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Hajo ANDRIANAINARIVELO androany fa ho betsaka lavitra mihoatra ny vitan’ireo teo aloha ny làlana hamboarina mandritra ny fotoam-pitondran’ny Filoha Andry RAJOELINA. Nasiany resaka ihany koa ny fanomanana ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha 10 sy ny faha 13.