samedi 27 avril 2024
Accueil 2020 février

Archives mensuelles: février 2020

Vola ho an’ny fonenanan’ny minisitra : tsy tokony hihoatry ny voalazan’ny lalàna

0
Mizara 3 mazava tsara ny safidy ho an’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, ny amin’ny trano honenany, araky ny fanazavan’ny « Directeur du Patrimoine de l’Etat » androany. Ny fonenana amin’ny trano natokan’ny fanjakana ho amin’izany, ny fampanofan’ny fanjakana trano azy, ary ny lelavola solon’ny trano honenana. Raha ny fanadihadiana natao, manodidina ny 3 tapitrisa ariary io lelavola io isam-bolana hatramin’izay, ary tsy tokony hihoatry ny efa voalazan’ny lalàna.

Haute Cour de Justice : tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Efa eny ampelatanan’ny Antenimierampirenena avokoa ireo antontan-taratasy 13 avy eo anivon’ny HCJ mahakasika ny raharaha maha voasaringotra ireo mpitondra teto amin’ny firenena teo aloha. Androany maraina no tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana mandrafitra ity rafi-pitarana ity.

Frantsa – Madagasikara : nanolotra 240 Tapitrisa Euros ny firenena Frantsay

0
Tonga eto Madagasikara ny tolakandro teo ny minisitra Frantsay misahana an’i Eropa sy ny raharaham-bahiny, Jean-Yves Le Drian, ary avy hatrany dia noraisin’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA teny Iavoloha. Nanambara ny Minisitra Frantsay Le Drian fa hisy famatsiam-bola mitetina 240 Tapitrisa Euros ho an’ny 4 taona manaraka, hanohanana ny Drafi-pampandrosoana an’i Madagasikara.

Ampahan-dalana amin’ny RN2 sy RN3 : nahemotra ny « réception provisoire »

0
Taorian'ireo tsy fahatomombanana maro hitan'ireo teknisiana sy mpanara-maso avy amin'ny MATP, nahemotra ny « réception provisoire » ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-3 izay nataon'ny orinasa Colas. Ity farany izay nomena fe-potoana 1 volana hamitana an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra.

Fanatsarana ny toekarena : sehatra maro no mila jerena

0
Tokony mbola hatsaraina ny toekaren’i Madagasikara ary teboka maro no ilaina jerena araky ny tatitry ny banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Mémorandum économique de Madagascar farany teo. Isan’izany ny sehatry ny fandraharahana, ny famokarana, ny fananan’asa. Mizotra tsikelikely amin’izany i Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha ny fanehoankevitry ny mpahay toekarena.

Fifidianana Ben’ny tanàna : miisa 237 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana

0
Miisa 237 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny androany mangataka fandravana ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo raha ny nambaran’ny commissaire Général de la Loi etsy Anosy.

Famoahana laharaha fiarakodia : antontan-taratasy manodidina ny 100 isan’andro no voaray

0
Mitombo hatrany ny antontan-taratasy fangatahana laharana gasy ho an’ny fiara avy any ivelany tonga eo anivon’ny Centre Immatriculateur Ambohidahy. Maro ny dingana arahina mialohan’ny hahazoana ny laharana. Isan’ny olana mateti-pitranga ankilany ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy voaray ka mampitarazoka ny asa.

Mpikambana eo anivon’ny governemanta : misy manao fandaniana mihoa-papana

0
Misy mpikambana eo anivon’ny governemanta no manao fandaniana mihoa-papana mikasika ny trano honenana sy ny sakafon’ny ankohonany amin’izao fotoana araka ny angom-baovao maripototra. Raha toa ka misy ny trano natokan’ny fanjakana hahafahan’izy ireo hipetrahana, nisafidy ny handany an-tapitrisany maro amin’ny fanofana trano fandraisam-bahiny izy ireo. Voarakitry ny lalàna fa misy fepetra ny fisitrahana ny vola solona trano fonenana, na ny indemnisation.

Antoko MMM : nanome fiofanana ho an’ireo Ben’ny tanàna

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny atrik’asa fanomezana fiofanana ho an’ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko MMM. Hiompana manokana amin’ny fandinihana ny mahakasika ny fitantanana ny teti-bola sy fampitomboana ny loharanom-bola ny atrik’asa.

Fandrindrana ny vokatra : hapetraka ny « Conseil National de la Vanille »

0
Mbola tsy mari-toerana ny vidin’ny lavanila avy aty Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena hatreto. Ankoatran’ny tsy fisian’ny fandrindrana ny sehapihariana amin’ny ankapobeny, lesoka ny tsy fitovian’ny taompiotazana sy ny marohafa. Hanaramaso akaiky izany ny minisitera tomponandraikitra manombok’izao ka isany hapetraka handrindrana ny sehapihariana ny CONSEIL NATIONAL DE LA VANILLE.