Accueil 2020 mars

Archives mensuelles: mars 2020

Toamasina : niverina nitokona ireo mpitondra « cyclo-pousse »

0
Ny maraina teo, raikitra indray ny fidinana an-dalambe natao'ireo Joker, mpitondra posy bicyclette tao amin'ny Fokontany Morarano Toamasina.  Mitaky ny hahafahan'izy ireo hanao ny asa fitadiavam-bolany hatrany ny anton'ny fitakiana.

Covid-19 : mila hamafisina ny fihibohona an-trano

0
Tsy tokony hanan-tsafidy ny malagasy entina misoroka ny fiparitrahan’ny valanaretina coronavirus. Manoloana ny fivoaran’ny antontanisa, mila hamafisina ny fihibohona. Miantso amin’ny fanarahana ny fepetra apetraky ny fanjakana arak’izany ny CFM amin’ny fanamafisana ny fihibohona isan-tokantrano. 

CNARP : namoaka voka-pikarohana entina miady amin’ny Coronavirus

0
Efa hitan’ireo manam-pahaizana siantifika manatanteraka fikarohana eny anivon’ny CNARP na ny Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques, ny fanafody entina mamono ireo soritra’retina sasantsasany amin’ilay valan’aretina Coronavirus. Hitohy hatrany ny asa fikarohana raha ny nambaran’ny minisitra tomponandraikitra.

Ady amin’ny Covid-19 : miara-misalahy ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

0
Mifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana ny eo anivon’ny sehatra tsy miankina amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus. Isany amin’izany ny orinasa Vivo Energy, izay nanolotra solika 30 000 litatra ho an’ny C.C.O Covid-19 eny ivato, teo ihany koa ireo orinasa nanome tanana ny kaominina Antananarivo.

CUA : mitohy ny fizarana fanampiana ho an’ireo mpitatitra

0
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina Antananrivo renivohitra amin’ny fizarana PPN ho an’ireo mpamily Taxis, mpamily Taxibe  sy ireo mpanampy ny mpamily. Nizotra am-pilaminana tanteraka izany ary voahaja avokoa ny fandaminana rehetra.

Ambany Tanàna : tsy manaraka ny fepetra hifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19 ny mponina

0
Tsy manaraka ny toromarika hifehezana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 ny  mponina eny ambany tanàna. Miaina toy ny andavan’andro ary manao ambany maso tsy hita ny fisian’ny valan’aretina ny ankamaroany ny araka ny fanadihadiana teny Anosibe Nanahazana sy ny manodidina. Takiana ny fidinana ifotony ataon’ny tomponandraikitra indrindra ny fanafoanana ny tsenan’ny Nanahazana izay mamory olona an’arivony isan’andro, hoy ny lehiben’ny faritra.

Banky iraisam-pirenena : mety hanafoana ny trosa amin’ireo firenena mahantra

0
Manoloana ny valan’aretina Coronavirus sy ny fiantraikan’izany ara-toekarena, mety hanafoana ny trosa amin’ireo firenena mahantra ny Banky iraisam-pirenena izay miara-miasa akaiky amin’ny FMI amin’izao fotoana.  Hatolotra hatolotra ho lanian’ireo governora mandritra ny fivoriana ho tanterahin’izy ireo ny volana aprily ho avy izao ny soson-kevitra.

RAHALA Joséphine 110 taona : mitantara ny zava-nisy tamin’ny 1947

0
Mafy ny ady sy ny zava-nanjo ny Malagasy nandritra ny tolom-panafahana tamin’ny 29 Martsa 1947 hoy i RAHALA Joséphine 110 taona , monina ao Ambatondrazaka, isan’ireo niaina ity vanim-potoana ity. Ny mahakasika izany no arahinao ao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity. 

Otrik’aretina eny amin’ny rivotra : azo vonoina amin’ny fomba tsotra

0
Ny  fomba famonoana ny otrik’aretina eny amin’ny rivotra indray no entina aminao ato anatin’ny fampahalalam-baovao androany, tafiditra hatrany ao anatin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus. Araho ary ny antsipirihan’izay.

Antsiranana : efa tonga ny fanafody hanamafisana ny fisorohana ny Coronavirus

0
Tahaka ny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, efa tonga any Antsiranana ihany koa ireo fanafody hanamafisana ny fisorohana ny fiparitahan’ny Coronavirus. Samy nandray izay tandrify azy avokoa ireo tomponandriakitra rehetra any an-toerana ary nohamafisina ny fandraisana fepetra.