vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 2 mars 2020

FFKM : namboly hazo teny Imerintsiatosika

0
Tsy mijanona eo amin’ny lafiny finoana ihany ny FFKM fa nandray anjara amin’ny fanamby lehibe izay apetraky ny filohampirenena ny amin’ny handrakofana ala an’i Madagasikara. Teny Imerintsiatosika no nanatanterahan’izy ireo ny fambolen-kazo ny andron’ny omaly asabotsy.

MENETP : miato ny fandraisana mpampianatra Fram vaovao

0
Tsy hisy intsony ny fandraisana mpampianatra vaovao raha tsy tafiditra mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram rehetra. Eo am-pamaranana ireo antotan-taratasy amin’ny vola 50.000 Ariary amin’izao fotoana izao. Ireo no nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena nandritra ny fitsidihana notanterahana tany Ambato Boeny.

Kolikoly eny anivon’ny fitsarana : afaka mitaraina mivantana amin’ny sekretera jeneraly

0
Isan’ny vaindohan-draharaha ho an’ny fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly. Misy ny fomba fiasa vaovao eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana manome fahafahana ny olona hitaraina mivantana amin’ny sekretera jeneraly.

Antsirabe faharoa : miakatra ny rano vokatry ny fahatsetseman’ny tatatra

0
Miakatra ny rano ao amin’ny Fokontany AMPATRIMAHA kaominina Alakamisy anativato. Distrikan’Antsirabe faharoa ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra. Noho ny fahatsetsenan’ny laka-drano izay mampifandray kaominina maro any toerana ka niteraka fiakaran’ny rano, ny fahapotehan’ny lalana ary fahasimban’ny fambolena any an-toerana.