Archives quotidiennes: 4 mars 2020

Fifidianana kaominaly : miisa 488 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana

0
Raha toa ka ny faha-9 Aprily ho avy izao no fotoana farany handrasisana ny fitoriana mahakasika ny fifidianana kaominaly, hatramin’ity androany ity tafiakatra 488 ireo fitoriana voaray manerana ny faritany 6 eto Madagasikara. Mety hanova ny voka-pifidianana efa nisy ny fanapaha-kevitra raisina aorian’ny fijerena ireo fitoriana voaray ireo hoy ny teo anivon’ny fitsarana.

Hetra sy fadintseranana : tsy hijerena tavan’olona ny fampiharana lalàna

0
Nitondra fanazavana mahakasika ny raharaha Claudine RAZAIMAMONJY sy Mbola RAJAONAH ny teo anivon’ny DGI sy ny Douanes. Ireto farany izay nanamafy fa mahatratra 1250 Miliara Ariary ny volan’ny fanjakana amin’i Mbola RAJAONAH vokatry ny fampiasana hosoka teny anivon’ny fadintseranana, ary 59 Miliara Ariary, miampy sazy ny an’i Claudine RAZAIMAMONJY, hetra tsy voaloa.

« Inclusion financière » : ambany ny taha ho an’i Madagasikara

0
Isan’ireo firenena ahitana taha ambany indrindra aty Afrique Subsaharienne amin’ny resaka finance digitale na ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny elektronikana toa ny amin’ny finday i Madagasikara. Sakana tsy mampandroso anefa io ary miteraka fahaverezan’ny vola amina miliara maro eny anivon’ny fanjakana. Misy ny paik’ady hampiroboroboana ity sehatra ity, araky ny nivoitra androany nandritry ny atrikasa notontosain’ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny IFC.

Fanalan-jaza vokatry ny aretina : mitaky ny hisian’ny lalàna ny holafitry ny mpitsabo

0
Tsy azo tanterahina eto Madagasikara ny fanalan-jaza na inona na inona antony. Voararan’ny lalàna ary mampigadra ny fanaovana izany. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny herinandron’ny fetin’ny vehivavy, mitaky ny hisian’ny lalàna momban’ny fahafahana manala zaza raha toa ka tojo fahasarotana ara-pahasalamana ny vehivavy mitondra vohoka ny holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara.

Antoko HVM : mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahakasika ireo kara-panondro mitovy laharana

0
Mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahakasika ny toe-java-misy ankehitriny manoloana ny fisian’ny kara-panondrom-pirenena mitovy laharana taorian’ny fanambarana nataonn’y CENI ny antoko HVM.