mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 mars 2020

AFAFI Sud : nisitraka famatsiam-bola 30 Tapitrisa Euros avy amin’ny Vondrona Eropeana

0
Hiadiana amin’ny tsy fanjarain-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo ary indrindra hampivoarana ny faritra Atsimon’ny Nosy, nisy ny fanaovan-tsonia famatsiam-bola 30 Tapitrisa Euros avy amin’ny Vondrona Eropeana sy 1,5 Tapitrisa Euros avy amin’ny Coopération Allemande, amin’ny alalan’ny tetikasa AFAFI Sud,  izay notontosaina androany.

KRAOMA Brieville : ao anatin’ny fitadiavam-bahaolona ireo tomponandraikitra

0
Efa ao anatin’ny famaramparanana ireo dingana izay tsy maintsy napetraka ho fampandehanan-draharaha amin’ny famerenanana ny hanodinanana ny orinasa KRAOMA ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao hoy ny minisitra tomponandraikitra raha namaly manolona ny fitokonana izay tanterahin’izy ireo mpiasa.

Antenimierandoholona : namoaka taratasy mihidy teo amin’ny pejy facebook

0
Tsy nisy ny fahampafantarana azy ireo mialoha hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona ny mahakasika ny fanesorana ireo mpitandro filaminana teo amin’ity andrim-panjakana ity omaly. Ankilany, tsy azao ekena hoy ny sekreram-panjakana miadidy ny zandariamriam-pirenena ny fihetsika nataon’ny Antenimieran-doholona namoaka taratasy confidentiel teny amin’ny pejy Facebook an’ity andrim-panjakana ity.

Kalitaon’ny lalana : hampanarahana ny fenitra, hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro

0
Hampanarahana ny fenitra, ary hifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara, araky ny tetikasa NIRI-PG. Hisorohana ny fatiantoka ateraky ny loza voajanahary ity tetikasa ity raha ny fanazavana. Androany no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa  fankatoavana azy. Tanjona ny hanamafisana ny kalitaon’ny fotodrafitrasa toa ny lalana.