Archives quotidiennes: 11 mars 2020

Antsirabe : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa fanatsarana ny sata manokan’ny Tany

0
Tontosa tao amin’ny renivohitr’ i Vakinankaratra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa famaranana ny volavolan-dalana makasika ireo tany izay manana ny sata manokana eto madagasikara. Mandritra ny 03 andro no hanantaterahina izany.

Tanàn-dehibe : misedra olana maro ankehitriny

0
Maro ny olana ateraky ny fitombon’ny mponina be loatra an-tanàn-dehibe. Hiara-miasa ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministera tomponandraikitra sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny amin’ny famahana ny olana eto an-dRenivohitra raha ny fanazavana. Nisokatra nanomboka androany ary hifarana rahampitso ny andro natokana hijerena vahaolana ho an’ny tanàn-dehibe manoloana ny fitombon’ny mponina, karakarain’ny masoivohon’i Frantsa. 

Faritra Anosy : nisitraka ny fanampiana avy amin’ny filoham-pirenena mivady

0
Ao anatin’ny fitsidihana tanterahin’ny filohampirenena mivady any amin’ny faritra Atsimo. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny balisage électrique en solaire ao amin’ny seranampiara-manidin’ny Taolagnaro. Fa ankoatra ireo fitaovana maro no natolotry ny filohampirenena ho an’ny Taolagnaro sy ny faritra Anosy hisy ihany koa  fananganana tetik’asa maro izay ho atomboka amin’ity taona ity any amin’ny faritra iny.

Coronavirus : mitohy ny fanaraha-maso ireo olona ahiahiana

0
Manoloana ny trangan’aretina coronavirus, nohamafisina hatrany ny fanaraha-maso ny fiara-manidina miditra eto amintsika sy ny olona avy amin’ireo firenena ahitana ity tranga ity. Tsy maintsy manaja ny fe-potoana napetraka tsy hahafahany mifanerasera amin’ny manodidina avokoa ireo olona ahiana ho mitondra ny aretina. Tsy nahitana soritr’aretina ankilany ireo Italianina miisa telo avy any Italie raha ny fanazavana.

Fidinan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena : tsy misy fiantraikany eto Madagasikara

0
Nihena manodidina ny 30% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka omaly . Ankoatry ny fihenan’ny fanjifan’ny sinoa ny solika, antony iray nampidina izany ihany koa ny tsy fahombiazan’ny fifampiresahana teo amin’ny OPEP sy ireo firenena mpiara-miombon’antoka aminy. Raha ny fanazavana azo, hatreto aloha, tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny vidin-tsolika eto Madagasikara izany. 

Alakamisikely: najoro tamin’ny fomba ofisialy ny Fikambanan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga

0
Najoro tamin’ny fomba ofisialy ny Fikambanan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ao amin’ny Kaominina Alakamisikely – Arivonimamo. Tanjona ny fampandrosoana ny vehevavy sy ny manodidina azy ary ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny Kaominina.

Antenimierandoholona : hiroso amin’ny « débat de fond » mahakasika ireo didy hitsivolana

0
Nanomboka androany no niroso tamin’ny fandinihana ireo didy hitsivolana miisa 9 noraisin’ny filohampirenena ny taona 2019 ireo loholona etsy amin’ny Anosy. Nanambara ankilany ny filohan’ny Atenimierandoholona fa mifamahofaho ny ao anatin’ireto didy hitsivolana ireto ka hiroso ao anatin’ débat de fond izy ireo.

Fanatsarana ny fampidiram-bola eny anivon’ny CTD : nomena fiofanana ireo ben’ny tanàna

0
Miantoka ny fampidiram-bolan’ny kaominina ny hetra tany maro samihafa. Tsy misy afa tsy 30% anefa izany raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny hetra androany. Ilaina ny fanatsarana ny fampidirambolan’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ny sampandraharaha misahana ny hetra sy ny GIZ, kaominina vitsivitsy eto Antananarivo sy ny manodidina no nisitraka fampiofanana mikasika izany . Fampiofanana izay aharitra 2 andro.

Toliara : hisitraka fotodrafitrasa maro

0
Hatomboka amin’ity taona ity ny fanorenana ny fotodrafitrasa lehibe « Gymnase Couvert » ho an’ny vahoakan’i Toliara. Laharampahameha hoy ny filoha ny fanatsarana ny tanàna indrindra fa ny fametrahana fotodrafitrasa maro samihafa. Nambaran’ny filoha ihany koa fa tsy ho averina izany ny fifidianana araka ny fitakian’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao.

Mahamasina : zaza vavy kely manodidina ny 2 volana nisy nanary

0
Zaza vavy kely manodidina ny 2 volana no nisy nanary manoloana ny COMMISSARIAT DE POLICE MAHAMASINA etsy amin’ny boriboritany faha-5 omaly alina. Mbola tsy hita hatreto izay nanary azy teny antoerana ka ireo mponina manodidina no mandray antanana ny fikarakara azy.