vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 12 mars 2020

Mialy RAJOELINA : nahazo mari-pankasitrahana maha reny mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

0
Tontosa androany ny fanolorana marim-pankasitrahana maha reny mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza an-dRamatoa Mialy RAJOELINA vadin’ny Filoham-pirenena. Mandray andraikitra lehibe amin’ny fanentanana ireo ray aman-dreny malagasy amin’ny fanaovam-bakisiny ny tenany.

“Recouvrement des avoirs illicites » : manaitra ny maro ny tsy fankatoavan’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna

0
Nahagaga ny maro ary niteraka resabe tamin’ny tambazotran-tserasera sy eny anivon’ny fiarahamonina ny tsy nankatoavan’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna mikasika ny Fanagiazana fananana azo tamin’ny tsy ara-drariny. Misy ve ny fahatahoran’ny antoko HVM amin’ny mety ho voakasik’ity lalàna ity ? Raha hiverenana ny zava-misy teto amin’ny firenena, fantatra fa tsy mitombina ny filazan’ny Filohan’ny antenimierandoholona fa tsy ampy ny fotoana nandinihana iny volavolan-dalàna iny.

Fiara tranainy : azo havaozina hifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny

0
Azo atao ny manavao ireny fiara tranainy ireny ho azo ampiasaina ary miavaka eo amin’ny sehatry ny mekanika. Isan’izany ity fiarabe fantatry ny rehetra hoe 1000 kg nivoaka ny taona 1960 navadika ho fiara tsy mataho-dalana ity. Naharitra 2 taona no niketrehana ny fanavaozana ary tsy toko tsy forohina ny vola lany saingy ny fitiavana no nanosika ho an’ny tompony.

Ambatondrazaka : ho vita afaka 2 andro ny fanamboarana eny amin’ny Seranam-piaramanidina

0
Ho vita amin'ny zoma izao ny « Goudron » eny amin'ny Seranam-piaramanidina Feramanga Ambatondrazaka. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa nampanantenain'ny filoham-pirenena tany Alaotra ny Governoran'ny Farira Alaotra Mangoro sy ireo mpiara-miasa aminy androany.

Ministeran’ny Atitany : hirosoana ny fanadihadiana raha voamarina ireo tranga

0
Tsy maintsy hirosoana ny fanadihadiana raha toa ka voamarina tanteraka ny fisian’ireo kara-panondro mitovy laharana hoy ny minisitry ny Ati-tany androany. Fanahiniana entina hanakorontanana ny saim-bahoaka hoy ny teo anivon’ny ministera ny katsahin’ireo antoko politika sy mpanao politika sasany ankehitriny manoloana ny zava-nisy teto amintsika.

Volavolan-dalàna: maro no tsy nankatoavin’ny Antenimierandoholona

0
Nankatoavin’ny antenimierandoholona ny volavolan-dalàna mikasika ny politika nasionalin’ny Cinema sy ny sary mihetsika, sy ny Fonds Routiers. Lany ihany koa ny « Motion de rejet »  izay natolotry ny vondrona Parlemantera HVM, mitsipaka ny fandinihana ilay volavolan-dalàna mikasika ny fankatoavana  ireo didy hitsivolana  telo ;  toa ireo lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fanendrena ireo  Loholona, ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany, sy ny maro hafa.