vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 16 mars 2020

Tohin’ny raharaha villa Elisabeth : miandry ny Antenimierampirenena ny HCJ

0
Tsy nahenona tohiny intsony ny raharaha famarotana ny villa Elisabeth, herintaona aty aorian’ny nikatonan’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. Raha ny fantatra, miandry fankatoavan’ny Antenimierampirenena ny Haute cour de justice ahafahany manohy ny raharaham-pitsarana.

CENI : mampametra-panontaniana ny maro ny fomba fiasa

0
Mipetraka ny ahiahy hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana manoloana ny fametraham-pialana nataon’ny filoha lefitry ny CENI Thierry RAKOTONARIVO ny 11 Martsa lasa teo. Mety hitombina hoy hatrany izy ny mety ho fisian’ny fanerena ny filoha lefitra hametra-pialana.

Governemanta Indianina : nanolotra vary 600 T ho an’ny governemanta Malagasy

0
Taorin’ny antso nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA ho fanampiana sy hiatrehana ireo voina nitranga nisesisesy teto amintsika, nitondra vary milanja 600 taonina ho an'ny firenena Malagasy, ny sambo mpiady Indianina "INS SHARDUL" ny 10 Mars 2020 lasa teo. Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra ny ara-tafika ka misongadina amin’izany ny tafika an-dranomasina. 

ACM : mihantona ny sidina mankany Eoropa, La Réunion, Mayotte manomboka ny 19 Martsa

0
Ho famanafisana ny fepetra noraisina hisorohana ny fidiran’ny Coronavirus eto Madagasikara, nandray fanapahan-kevitra ny ACM na ny Aviation Civil de Madagascar, ka nilaza fa haato avokoa sidina mampifandray an’i Madagasikara sy Eropa, La Réunion ary Mayotte manomboka ny 19 Martsa ho avy izao.