vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 mars 2020

Fivoriana tsy ara-potoana : nifarana androany

0
Nifarana androany ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoan’ny governemanta ireo fahefana mpanao lalàna teny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Lalàna maro samihafa no nanaovana fankatoavana nandritra izany. Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta kosa ankilany ny mahakasika ny volavolan-dalàna laharana faha-001/2020 izay tsy nankatoavin’ny Loholona.

« Coronavirus » : mirindra ny fampiharana ny toromarika avy amin’ny Filoha

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika hiatrehana ny mety ho fihanaky ny Coronavirus eto Madagasikara. Voahaja ny fepetra isan-tokony manomboka amin’ny fizahana hatramin’ny fanatokana-monina ny mpandeha avy any ivelany tonga eto Madagasikara.

Covid 19 : miampy ny fepetra mihatra eto Madagasikara

0
Manoloana ny fivoaran’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 maneran-tany, ankoatry ny fanapakevitra noraisin’ny filohan’ny Repoblika nandritry ny kabariny ny faran’ny herinandro teo, fepetra maromaro no manampy izany entina misoroka ny fidiran’ny Covid 19 eto Madagasikara. Araho ao anatin’ny fanadihadiana ary ny antsipirihin’izay.

“e-Hetraphone” : hanamora ny fandoavana hetra

0
Fitaovana hanampy ny olona amin’ny fandoavana ny hetra ny fisian’ny “e-Hetraphone”. Ho maro ny tombotsoa aterak’izany toy ny fanamorana ny fandoavana ny hetra amin’ny alalan’ny finday eo ihany koa ny fiarovana ara-bola.

HCJ : andrasana ny tohin’ny fanadihadiana

0
Andrasana amin’ity taona 2020 ity ny fanasaziana ireo nanao kolikoly nambotry firenena sy nanodikodina ny volam-panjakana teo amin’ny fitondrana teo aloha. Mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna ary tsy misy fiarovana manokana ho an’ireo olona ambony nanao heloka eo anatrehan’ny Lalam-panorenana hoy ny filohan’ny CSI.

Vidim-bary : nahitana fiakarana hatramin’ny 50 Ariary

0
Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary eny an-tsena tao anatin’ny herinandro maro izay. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fampiakaram-bidy hoy ny mpaninjara nanaovana fanadihadiana. Mavesatra ny fiantraikan’izany amin’ny mpanjifa izay mangataka ny fanamafisana ny fanaraha-maso.