Archives quotidiennes: 19 mars 2020

SIRAMA : mpiasa iray namoahan’ny BIANCO « Avis de recherche »

0
Tomponandraikitra teo aloha maromaro teo anivon’ny SIRAMA no fantatra fa anaovan’ny BIANCO fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Herinandro vitsivitsy lasa, Ramatoa 1 niasa teo amin’ny SIRAMA taloha no nanaovan’ny Bianco avis de recherche. Tsy misoratra mazava amin’ny fitadiavana hatreto ny anton’ny fikarohana azy.

Fanazavana momba ny Covid 19: tafiakatra 23.000 ny antso voaray

0
Hatramin’ny nanombohan’ny laharana maintso 910 handraisana fanazavana mahakasika ny valan’aretina Coronavirus tafakatra hatramin’ny 23.000 ny antso voaray hatramin’izao amin’ny fangatahana fanazavana. Hisy ny fanatsarana ny fomba fiasa mahakasika izany ary ho ampitomboina ny isan’ny mpandray antso raha ny fanazavana.

Covid-19 : mpandeha 238 avy amin’ny sidina Air France no tonga alina

0
Mialohan’ny hiaton’ny sidina rehetra mifampitohy amin’i Madagasikara ny zoma izao, mitohy ny fahatongavan’ireo mpandeha mody eto amintsika. Mpandeha 238 avy amin’ny sidina Air France no tonga alina tao amin’ny seranampiaramanidina Ivato. Mizotra araky ny tokony ho izy ny diungana fisorohona rehetra. Nidina ifotony teny an-toerana ireo minisitra tomponandraikitra tamin’izany.

Fampiakarana vidin’entana tsy ara-dalàna : maro ny tsena nakatona

0
Niroso tamin’ny fanakatonana ireo tsena tsy ara-dalàna sy tompon’antoka tamin’ny fampiakarana ny vidin’entana teto andrenivohitra ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria. Izay ny vokatry ny fidinana ifotony niarahana tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka androany. 

Famatsiam-bolan’ny fiainana ara-politika : entanina ireo olom-boafidy hanao ny tatitra

0
Entanina hatrany ireo olom-boafidy tsirairay avy hanao ny tatitra mahakasika ny fandaniana natoan’izy ireo nandritra ny fifidianana. Tsy misy fanasaziana apetraky ny lalàna ho an’ireo izay tsy mahatanteraka izany saingy zava-dehibe izany amin’ny maha tany tan-dalàna sy tany Demokratika an’i Madagasikara.