samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 mars 2020

Banky Foiben’i Madagasikara : tsy misy ahiana ny fivezivezen’ny vola

0
Tsy misy ahiana ny fihodinan’ny vola eto Madagasikara, ary misy ny fepetra efa noraisin’ny Banky Foiben’i Madagasikara entina hitazomana ny fizotry fifamezivezen’ny vola. Io no nampahafantarin’ny teo anivon’ny Banky Foiben’i Madagsikara androany tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao, manoloana ny Covid-19. Fepetra maro no napetrak’izy ireo ahafahana mampizotra antsakany sy andavany ny fampiasam-bola.

« Couvre feu » : voahaja amin’ny ankapobeny

0
Nampihatra ny tsy fahafahana mivoaka amin’ny alina ny olompirenena teto Antananarivo raha ny hita nandritra ny andro voalohany omaly. Fanentanana no natao ho an’ireo izay tratra nivoaka taorian’ny tamin’ny 8 ora alina.

APIPA : niroso tamin’ny fanesorana ny fako

0
Niroso tamin’ny fanesorana ny fako eo amin’ny fokontany Ouest-Mananjara ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ny alalan’ny APIPA. Aza vonjimaika, hiarovana ny mponina manoloana ny aretina mety hitranga no anton’izao fandraisana fepetra izao.

Covid-19 : misy tsy manaja ny toromarika hisorohana ny valan’aretina

0
Mbola maro amin’ny mponina eny anivon’ny fokontany no tsy manaraka ny fepetra sy ny toromarika hifehezana ny mety ho fihanaky ny Covid-19. Lohalaharana amin’izany ny fanajana ny elanelana 1 metatra na izany eny antsena na amin’ny sehatra maro. Namafisina arak’izany ny fanentana eny ifotony ka sefom-pokontany 34 ao anatin’ny boriboritany faha-3 no nahazo fiofanana androany.

« Centre de Commandement Opérationnel Covid 19 » : manana ny fomba fiasany manokana

0
Samy manana ny fomba fiasany manokana ireo « Cellule miisa 6 » etsy amin’ny « Centre de Commandement Opérationnel Covid 19 » etsy amin’ny Mining Business Center Ivato. Hatramin’ny 12 ora antoandro teo, miisa 19 ireo mitondra ny tsimok’aretina amin’izao fotoana izao.

Taom-baovao Malagasy : hankalazaina ny 24 sy 25 Martsa 2020

0
Androany faha 24 sy rahampitso 25 Martsa 2020 no ankalazaina ny taom-baovao Malagasy. Noho ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus samy mankalaza izany any an-tranony ny tsirairay avy.