Archives quotidiennes: 26 mars 2020

Taom-baovao Malagasy 2020 : ankalazaina androany

0
Androany 25 Martsa 2020 no ankalazana ny taom-baovao Malagasy. Ankoatry ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa, fangatahana ny fiaraha-mientan’ny rehetra, indrindra amin’izao toe-java-misy eto amin’ny firenena izao no tena zava-dehibe.  « Malagasy manaja ny fomba, hasina ho an’ny rehetra» araka ny lohahevitra hobanjinina amin’ity taona ity. 

COVID-19 : mila mandray andraikitra ny isam-pokontany

0
Andro fahatelo amin’ny fihidina an-trano entina misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina covid 19 eto amintsika, saika voahaja ny fepetra amin’ny tsy fisian’ny tsena be ivorian’ny olona maro. Mbola betsaka kosa anefa ireo olona no hita mifamezivezy eny an-dalambe. Raha ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina iray nanaovana fanadihadiana, mila mandray andraikitra ny isam-pokontany manentana ny olona raha tsy tiana ny hitohizan’ny fiparitahan’ny aretina. 

« Plan d’urgence social » : hanamaivana ny fahasahiranan’ny maro

0
Nankasitrahan’ny maro ny fanapaha-kevitry ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny plan d’urgence social hanampina ny marefo sy izay voakasiky ny fepetra hiadina amin’ny Covid-19. Hanamaivana ny fahasahiranana hiatrehana ny valan’aretina ny fanampiana. Isany angatahan’ny rehetra arak’izany ny mangarahara manomboka amin’ny fandefasana ny lisitra eny anivon’ny tomponandraikitra voakasika hatramin’ny fisitrahana ny fanampiana avy amin’ny filoha.

Fangatahana fahafahana mivezivezy : misy ireo sokajy mahazo fahazoan-dalana

0
Hatramin’ny 1 ora tolak’andron’ny 25 martsa 2020 teo, tsy nisy ny tranga vaovao voamarina fa tratry ny Covid-19, izany hoe nijanona ho 19 ny isan’ny olona nahitana ny  valan’aretina Covid-19 tamin’io ora io . Miisa 106 no voatily nanomboka omaly atoandro ka hatramin’ny androany tolak’andro. Etsy ankilany, misy ireo sokajy afaka mahazo ny « autorisation » na ny taratasy fahafahan’ny fiara mivezivezy araky ny nambaran’ny tale jeneralin’ny ATT androany. 

COVID-19 : arahi-maso ireo orinasa mampiasa olona maro

0
Tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana takiana ireo orinasa tsy miankina mampiasa olona maro ary mbola maohy ny asany. Raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra, mety ho tonga hatramin’ny fanakatoanana mandritra ny fotoana fohy ilay orinasa izany.

« Taxi moto clandestin »: miha-mahazo laka eto Antannarivo

0
Miha-nahazo laka  eto Antananarivo renihovitra ireo taxi-moto clandestin hatramin’ny nampiatoana ny fifamoivoizan’ireo taxibe sy taxi. Mazava anefa ny fitsipika napetraky ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo sy ny mpitandron’ny filaminana momba ny moto : « tsy azo atao ny mitondra olona aoriana ».

Coronavirus : naato vonjimaika ny fandoavana hetra alaina amin’ny vola miditra

0
Taorian’ny fihaonana teo amin’ny mpisehatra ao anatin’ny sehatra tsy miankina sy ny governemanta, tapaka fa hahato vonjimaika hatramin’ny faran’ny volana jona 2020 ny fandoavana hetra alaina amin’ny vola miditra ho an’ireo sehatra rehetra mifandray amin’ny fizahan-tany

Vadin’ny filoham-pirenena : nanome fanampiana ireo mararin’ny “Coronavirus”

0
Nahatsiaro manokana ireo olona tratran’ny valan’aretina Covid-19  ao amin’ny hopitaly Andohatapenaka sy Anosiala ny vadin’ny filoham-pirenena. Nandritra izany no nanolorany fanomezana ary nirarin’ny fahasalamaa ho an’ireo olona marary ireo.