mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 13 avril 2020

Bealanana : nizarana savony sy takom-bava ny mponina

0
Nizarana savony sy takom-bava ny mponina ao Bealanana ho fisorohana sy fiarovana amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus. Mbola tsy misy tranga ao amin’ny distrikan’i Bealanana saingy zava-dehibe ny fisorohana mialoha sy ny fanarahana ireo toromarika rehetra hoy solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.

Mahajanga : miroso ny fandraisana andraikitra

0
Na tsy mbola misy aza ireo olona voan’ny valan’aretina Coronavirus ao Mahajanga, mametraka avy hatrany ny fepetra sy ny toerana handraisana ireo marary raha sanatria ka mitranga izany ireo tomponandraikitra ao Mahajanga. Tanjona lehibe ny ahafahana misoroka ny fiparitahan’ity valan’aretina ity raha ny fanazavana.

Coronavirus : tsy ampidirina ny trano ireo akanjo nentina nivoaka

0
Esorina ary diovina avokoa ireo akanjo sy entana rehetra nentina nivoaka, tsy tokony ampidirina ny trano izay rehetra avy any ivelany raha tsy nandalo fandalovana. Ireo no torohevitra avy amin’ny mpitsabo entina hiarovan-tena manoloana ny valan’aretina coronavirus

Tolo-tanana ho an’ny mponina : efa misy ireo mitety tokan-trano hanatitra izany

0
Mitohy hatrany ny fizarana fanomezana hanampiana ny mponina amin’izao fotoana fihibohana hiadiana amin’ny Coronavirus izao. Ankoatry ny eny amin’ny fokontany sy EPP, misy ihany koa ireo mitety tokantrano hanatitra izany.

Fetin’ny Paska: niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity

0
Niavaka ny fankalazana ny andron’ny Paska tamin’ity taona ity. Tamin’ny alalan’ny haino aman-jery sy tambazotran-tserasera no niara-niombom-bavaka ny tokantrano kristiana rehetra. Toy ny any am-piangonana ihany no niainana izany rehefa misy ny fifantohana ara-panahy sy ara-tsaina hoy ny tokantrano nanaovana fanadihadiana.