Archives quotidiennes: 20 avril 2020

Haitany any Atsimo : tsy mitsaha- mitombo ny isan’ny olona voakasik’izany

0
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona voakasikt ny haitany any amin’ny faritra Atsimon’I Madagasikara. Raha ny tatitra navokan’ny African Risk Capacity,nahitana fiakarany 100000 izany raha ampitahaina ny  tamin’ny volana Febroary teo. Niakatra nanaraka izany ihany koa ny vola ilaina entina misoroka izany. 

Vatsy Tsinjo : mitaky ny mangarahara ny mponina eny Manjakamiadana

0
Velon-taraina manoloana ny tsy fahatomombanan’ny fizarana ny VATSY TSINJO avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina etsy amin’ny fokontany Manjakamiadana. Nogiazin’ny lehiben’ny fokontany sy ny vaomiera isan-tokony ny fanampiana tokony hotsinjaraina amin’ireo mponina marefo ara-pivelomana.

Nosy Be : tsy miakatra ny saran-dalana mampitohy an’Ankifigny amin’ireo nosy

0
Tsy iakatra ny saran-dalana mampitohy an’Ankifigny  amin’I Nosy Be, Nosy Komba, Faly , Tsarabanjina ary Iranja na eo aza ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Izay no tapaka nandritry ny fivorian’ireo solontenan’ny mpitatitra any an –toerana. 

Brigade d’Intervention spécial : voafonja 114 nanaovana fitiliana

0
Taorian’ny fihibohona 15 andro tetsy amin’ny fonjan’Antanimora, gadra vao nahiditra am-ponja 114 no nataon’ny Brigade d’Intervention spécial fitiliana ny tsimon’aretina COVID-19 ny zoma lasa teo. Tanjon’ny fitiliana ny hisorohana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina eny anivon’ny toeram-pamonjana.