mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 avril 2020

Artemisia : tsy afaka mandrara ny fampiasana azy ny OMS

0
Tsy re feo ary tsy nanatrika ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fanefitry ny coronavirus Covis organics ny solotena maharitry ny OMS omaly. Raha efa nanambara ny tsy tokony hampiasana io zavamaniry io hitsaboana ny tazo ity sampandraharahan’ny firenena mikambana ity, tsy mbola naneho hevitra mahakasika ny fampiasana izany ho fanefitry ny coronavirus kosa izy ireo. Ny OMS rahateo tsy afaka mandrara ny fampiasana ny covid organics, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny IMRA.

« Pétrole Américain » : nidina hatramin’ny -37,63 dolara ny baril

0
Voalohan’ny eo amin’ny tantaran’ny famokarana sy fanjifana pétrole maneran-tany. Latsaka hatramin’ny -37,63 dolara, na mihiba -37,63 dolara ny anjifana ny baril ny pétrole Amerikanina. Tokony hampinina ny vidin-tsolika aty Madagasikara ny fidinan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny mpahay toekarena, saingy miankina tanteraka amin’ny fanjifana sy ny fifanaraha amin’ny mpamatsy solika izany. Hatreto, nijanona maritoerana tao anatin’ny volana maro ny vidin-tsolika eto amintsika.

Fitsarana : namoaka didy momba ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny Raoul RABEKOTO

0
Nohafahan’ny fitsarana ireo roalahy voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ny fivoahan’ny filohan’ny FMF, Raoul RABEKOTO tany ivelany. Ankoatra izay niala tsy ho mpisolo vava an’i Arphine Helisoa intsony i Razafinjatovo willy sy ireo mpiara-miasa aminy.

Taxibe – Antananarivo : norarahana ranom-panafody androany

0
Notanterahana androany ny fandrarahana ranom-panafody tamin’ireo taxibe eto Antananarivo hiverina hiasa rahampitso. Hentitra ny fanaraha-maso hoy ny eo anivon’ny ATT hisorohana ny fipariahan’ny valan’aretina coronavirus, maro ankilan’izay ny fangatahan’ireo mpitatitra.

Hopitaly Ambohimiandra : ankizy 3 volana no ahiany mitondra ny Covid-19

0
Ankizy kely 3 vola no ahiahiana ho mitondra ny tsimokar’aretina Coronavirus etsy amin’ny Hopitaly Ambohimiandra, toerana natokana ho an’ireo zaza ahitana na ihany koa ireo ahiahiana ho mitondra ny valan’aretina Coronavirus. Nanadihady teny an-toerana ny mpanao gazetin’ny Kolo Tv/Fm androany nijery ny zava-misy.