vendredi 26 avril 2024
Accueil 2020 avril

Archives mensuelles: avril 2020

Mpiasan’ ny fahasalamana : tsy ampy ny « Equipement et protection »

0
Tsy ampy ary tsy manaraka ny fenitra iarovan’izy ireo ny tenanay ny « Equipement et protection » eo am-pelatanana amin’ny fikarakara ireo mararin’ny Coronavirus hoy ny filohan’ny Syndicat des Infirmier et des Sage-Femmes de Madagascar androany. Antso avo no ataon’izy ireo amin’ny mpitondra mba hijerevam-baha-olana mahakasika izany.

Fanarenana ara-toekarena : nanendry olona 04 ny Vondrona Afrikana

0
Ho fiatrehana ny fanarenana ara-toekarena aty Afrika aorian’ny fandalovan’ny COVID 19, nanendry olona 04 ny Vondrona Afrikana. Ireo olona 04 ireo no hanetsika ireo fanohanana haingana sy azo tsapain-tanana araka ny nampanantenain’ny G20 sy ny Vondrona Eropeana ary ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-tokony.

Alatsinain’ny Paska : maro ireo olona mivoaka mandeha an-tongotra

0
Na dia eo aza ny fisian’ny fepetra fihibohana, maro amin’ireo olona no mbola mivoaka, mandeha an-tongotra hamangy fianakaviana sy hiantsena, amin’izao alatsinainin’ny Paska izao. Atao fanampiny, hividianana sakafo ny vola tokony atao saran-dalana raha ny nambaran’ireo olom-pirenena sendra ny mpanao gazetin’ny kolo tv.

Fihiboana : samy manana ny fialamboliny ny tsirairay

0
Betsaka no misafidy ny hivoaka hanao fanatanjahantena, raha ny hita androany, na eo aza ny fihiboana. Ny baolina kitra no fialam-boly be  mpanao nandritra ny fanadihadina natao androany. Fanadihadiana.

Alatsinain’ny Paska : manodidina ny 2 000 Ariary ny vola hatao sakafo

0
Tsy nisy fanamarihana manokana ny alatsinain’ny paska tamin’ity taona ity. Tsy hita anaty fandaharam-potoanan’ny isan-tokantrano na ny fiarahana miala sasatra na ny fanomanana sakafo miavaka iraisan’ny ankohonana. Zara raha misy arapaka indrindra ny eny ambany tànana. Araka ny fanadihadiana teny Ampefiloha Ambodirano, latsaky ny 2 000 ariary no tsinjarain’ny tokantrano hanomanana ny sakafo atoandro.

Fampiharana fepetra – Covid-19 : hentitra ny mpitandro filaminana

0
Niverina ho hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampiharana ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana tsy hipariahan’ny valan’aretina Coronavirus. Toa ny eny Ambohibao sy Talatamaty, mijanona ireo tsy manao takom-bava.

Ambatovy : miato ny fitrandrahana nikela sy kobalta

0
Vokatry ny fiparitahan’ny COVID 19 eto Madagasikara izay misy fiatraikany amin’ny asa famokarana sy ny toekarena, miato ny fitrandrahana Nikela sy Kobalta ao Ambatovy. Mbola tsy fantatra hatreto ny fe-potoana fampiatoana sy ny hiverenan’ny fitrandrahana indray. Ambatovy izay isan’ny orinasa mampiasa olona manodidina ny 8000 ka Malagasy ny 90 % n’ireo.

Bealanana : nizarana savony sy takom-bava ny mponina

0
Nizarana savony sy takom-bava ny mponina ao Bealanana ho fisorohana sy fiarovana amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus. Mbola tsy misy tranga ao amin’ny distrikan’i Bealanana saingy zava-dehibe ny fisorohana mialoha sy ny fanarahana ireo toromarika rehetra hoy solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.

Mahajanga : miroso ny fandraisana andraikitra

0
Na tsy mbola misy aza ireo olona voan’ny valan’aretina Coronavirus ao Mahajanga, mametraka avy hatrany ny fepetra sy ny toerana handraisana ireo marary raha sanatria ka mitranga izany ireo tomponandraikitra ao Mahajanga. Tanjona lehibe ny ahafahana misoroka ny fiparitahan’ity valan’aretina ity raha ny fanazavana.

Coronavirus : tsy ampidirina ny trano ireo akanjo nentina nivoaka

0
Esorina ary diovina avokoa ireo akanjo sy entana rehetra nentina nivoaka, tsy tokony ampidirina ny trano izay rehetra avy any ivelany raha tsy nandalo fandalovana. Ireo no torohevitra avy amin’ny mpitsabo entina hiarovan-tena manoloana ny valan’aretina coronavirus