Archives quotidiennes: 26 mai 2020

Taom-piotazana Vanille : mitaky ny hirosoan’izany ny any amin’ny faritra Atsinanana

0
Misokatra amin’ny fomba ofisialy androany ny fihotazana lavanila any Ambanja. Mitaky ny hirosoan’ ny fotoam-pihotazana kosa ireo faritra hafa izay mbola miandry any amin’ny Volana Jolay vao afaka mioty. Mirongatra raha ny fanazavana ny halatra vanila ary matiantoka ny mpamboly nohon’ny fotoana fihotazana tsy mifanaraka amin’ny fotoana mahamasaka ny lavanila. 

Toamasina : nohatevenina ireo mpitandro filaminana miasa

0
Manoloana ny fihazakazaky ny tarehimarika amin’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina CORONAVIRUS any Toamasina amin’izao fotoana izao, nanatevin-daharana ny mpitandro filaminana any an-toerana ny EMMONAT ho fampiharana ireo fepetra mahakasika ny fihibohana. Mpitandro filaminana miisa 150 no efa tonga, hanampy ireo efa misehatra any an-teorana. 

Fanamelohana ho faty : miseho amin’ny endriny hafa eto Madagsikara

0
Aty Afrika avokoa raha ny taha avy amin’ny CNIDH ny 37%n’ny fanamelohana ho faty ary tanterahana  manerantany. Raha toa ka efa nanomboka ny taona 2014 no nankatoavin’ny antenimierampirenena ny lalàna manafoana izany eto Madagasikara, mbola misy ny fanamelohana ho faty amin’ny endriny hafa eto amin’ny Nosy hatramin’izay hoy ireo mpiaro ny zon’olombelona. Nisy ny vidéoconférence mikasika ny peine de mort nokarakarain’ny fikambanan’ireo vaomieram-pirenenan’ny zon’olombelona Francophone, izay nandraisan’i Madagasikara.

Fanarian-jaza : miha-mahazo vahana eto Madagasikara

0
Miha mahazo vahana ny fanarin-jaza eny amin’ireny toeram-piterahana ireny  amin’izao raha ny fanzava’ny tompon’andraikitra  iray teo anivon’ny policy mpihany ny vehivavy sy ireo zaza tsy ampy taona.  Ny fitsohahana ao an-tokatrano ny tranga maro miseo eto Magadasikara na eo ihany aza ireo fahaveran-jaza sasan-tsasany. 

Faritra Itasy : 1 000 Ha no hanombohana ny fambolena Artémisia

0
Velaran-tany 1 000 Ha no hanombohana ny fambolena artemisia ao amin’ny faritra Itasy. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha hanatanterahana izany ka vinavinaina hamokatra 1,5 T isan’hectara afaka enim-bolana.