Archives quotidiennes: 27 mai 2020

26 jona 2020 : eo amin’ny araben’ny fahaleovantena no hanaovana ny matso lehibe

0
Eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena Analakely no tapaka fa hanaovana ny matso lehibe, hanamariahana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Ferana ireo olona afaka manatrika izany raha ny fanazavan’ny lehibeny Etamazaoron’ny Tafika androany.

Journée de l’Afrique : miantso ny rehetra hametraka fomba fiady vaovao ny filohan’ny UA

0
Nandritra ny fankalazana ny Journée de l’Afrique omaly, niantso ny rehetra hametraka fomba fiady vaovao ny filohan’ny Fivondronam-be Afrikana na ny Président de la Commission de l’Union Africaine, Moussa FAKI MAHAMAT. Manoloana izany, nanamafy hatrany fahavononany sy ny fiombonana amin’i Afrika ny mpitondra fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny. Ny fankalazana izay niavaka tamin’ity taona ity noho ny fisian’ny ady atao amin’ny CORONAVIRUS.

Toamasina : notolorana fitaovana maro hiadiana amin’ny Coronavirus

0
Tsy namela ho irery an’i Toamasina ny Filohan’ny repoblikan’i Madagasikara RAJOELINA Anry fa nidina tany an-toerana androany. Fepetra hentitra maro samihafa no apetraka ankehitriny. Nanolotra fitaovana maro samihafa ihany koa ny fitondram-panajakana ary mpitsabo sy Mpitsabo manampy 29 mianadahy avy any Antananarivo nanolo-tena hanampy sy hifanome Tanana amin'ny fitsaboana eto Toamasina. Ny fandresean ny valan’aretina no tanjona raha ny nambaran’ny filoha.

Fanajana ny zon’olombelona : mbola mila ezaka i Madagasikara

0
Raharaha miisa 5 momba ny ady amin’ny fanajana ny zon’olombelona no mbola tsy nahitana vokany hatreto ary miandry ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Isan’izany ny raharaha Antsakabary. Mbola maro ihany koa ny fanatsarana mila ataon’i Madagasikara amin’ny fampanajana izany. Izay raha ny tatitry ny taona 2019 nataon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena miahy ny zon’olombelona manoloan’ireo loholona androany.

SIRAMA : tsy ekena intsony ny gaboraraka ary tsy maintsy hanaraka lalàna

0
Tsy ekena intsony ny goragora ary tsy maintsy hanaraka ny lalàna ny SIRAMA hoy ny tale jeneralin’ny orinasa nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety androany. Ny eo anivon’ny SIRAMA izay nanao tatitra ireo asa sy fanatsarana vita nandritra izay 3 volana izay, ary nilaza fa teboka 04 lehibe no vita raha toa ka 03 no nangatahan’ny filankevi-pitantanana.