vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 mai 2020

« Immeuble R+4 » – Ivato : mandeha araka ny tokony ho izy ny asa

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ireo « Immeuble R+4 » eny Ivato amin’izao fotoana izao na eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Ho tratra araka ny fe-potoana napetraka ny fahavitan’ny asa raha ny nambaran’ny topmponandraikitra eo anivon’ny Analogh.

Andrana ara-pahasalamana : samihafa ny tambavy CVO sy ny andrana ara-pahasalamana atao

0
Tsy marina ny feo miely fa ho avadika tsindrona ny tambavy covid organics ary anaovana andrana ara-pahasalamana. Fitambarana fanafody roa izay tsy misy hifandraisany amin’ny tambavy covid organics no hanatontosana ny handrana ara-pahasalamana hitsaboana ireo mararin’ny coronavirus. Tsy vaksiny ihany koa io tsindrona io fa fomba fitsaboana raha ny fanazavana.

Fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra : miandry ny fanapahan-kevitr’ireo Loholona

0
Miandry ny fanapahan-kevitra horaisin’ireo Loholon’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna hifehy ny ny mpanohatra eto Madagasikara. Araka izany mitodika eny amin’ny lapan’Anosikely ny mason’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe, holanian’izy ireo izany sa tsia.

Sata mifehy ny lalana: navadika ho lalàna

0
8 000 km amin’ny lalam-pirenena mirefy 12 000km eo ho eo no vita tara eto Madagasikara. Tsy ampy ary maro ihany koa no ratsy amin’ireo tambazotran-dalana misy. Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka Malagasy ny amin’ny fanamboarana sy fanavaozana ary fampitomboana ireo tambazotran-dalana eto Madagasikara, nanapa-kevitra ny fitondrana ka namadika ho lalàna ny sata mifehy ny lalana, mba hahafahana mametraka mazava tsara ny anjara andraikitry ny ambaratongam-pahefana rehetra.

SAMBAVA : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ben’ny tanàna sy Solombavambahoaka

0
Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny tanàna ao Farahalana sy ny Solombavabahoaka ao Sambava manolona ny fanafoanan’ny fanjakana ny titre ny tany ao amin’ny Villa Commune ao Farahalana. Androany, niteraka savorovoro