samedi 27 avril 2024

Archives mensuelles: mai 2020

Asan’ny caissière : maro ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka

0
Maro ny fepetra ara-pahasalamana napetraka ho an’ireo caissière amin’ny toeram-pivarotana izay mandray olona sy mikirakira vola amin’izao vanim-potoanan’ny Coronavirus izao. Ampy ny fiarovana ho azy ireo raha mampanahy kosa ny an’ireo receveur amin’ny taxibe.

Fanadinana Baccalauréat: nohalavaina ny fotoana fisoratana anarana

0
Mitohy ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2020 raha ny nambaran’ny teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Tsy mbola fantatra hatreto ny daty famaranana izany fisoratana anarana izany.

Nike : vonona hanao ny fampitaovana ho an’ny Barean’i Madagasikara

0
Naneho ny fahavononany amin’ny fampitaovana sy ny fampiakanjoana ny Barean’i Madagasikara ny marika fanta-daza maneran-tany Nike. Omaly no nahafantatra izany ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Taranja baolina kitra. Andrasana manoloana izany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny FMF momba ity « équipementier » ity.

Covid Organics: mitohy ny fanapariahana izany eny amin’ny sekoly

0
Mitohy hatrany ny fizarana ny Covid Organics eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankoatry ny fizarana ho an’ny isan-tokantrano , isany imasoan’ny fitondram-panjakana ny fizarana izany eny anivon’ny sekoly. Ho an’ny CISCO Ambohidratrimo, ny CEG Talatamaty sy ny lycée Ambohidratrimo indray no nisitraka izany.

OSTIE : tsy mandray ny fangatahana fanemorana tetiandro

0
Efa nisy ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana mahakasika ny fenemorana ny tetiandro fandoavana saran'ny mpikambana izay tokony haloan’ny orinasa tsy miankina eny anivon’ny CNaPS sy ny OSTIE. Tsy mandray izany fangatahana izany anefa ny eny amin’ny OSTIE raha ny fitarainan’ireo orinasa maro.

Ambovombe Androy : tsy mponina ao an-toerana ilay namoy ny ainy

0
Nazava ny tenin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manoloana ny raharaha Ambovombe Androy. Olona nafaran’ny solombavambahoaka hanakana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ireo nifandona tamin’ny mpitandro filaminana omaly. Nohamafisiny hany koa fa ny ben’ny tanàna tamin’izany fotoana no nivarotra ny tany. Ary nanamafy hatrany ny zandary fa tsy nesorina amin’ny hery ireo olona ireo fa efa nisy fijerena manokana azy ireo.