vendredi 26 avril 2024
Accueil 2020 juin

Archives mensuelles: juin 2020

Zandarimariam-pirenena : tazomina 24 ora ireo tratra tsy mitondra aro-tava

0
Aorian’ny asa ho an’ny daholobe na ny « travaux d’intérêt généraux» hampanaovina ireo tsy mitondra aro-tava sy tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana, ho tazomina 24 ora izy ireo ary raha mbola mitohy dia helafa eny amin’ny fitsarana hoy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny fidinana any anelakelan-trano fa tsy hijanona eny amin’ny arabe intsony ny fanaraha-maso hatao.

CENI : rahampitso no hifidy ny solontenany ny solombavambahoaka

0
Rahampitso no hiroso amin’ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena eny anivon’ny CENI ny solombavambahoaka. Hisolo ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI avy hatrany izay ho voafidy eo ary hanapitra ny fepotoam-piasana ny volana oktobra 2021. Hameno ny mpikambana 9 mandrafitra ny kaomiseram-pifidianana nasionaly mampiodina ny CENI izay ho voafidy eo, hirosoana amin’ny fanomanana ny fifidianana manaraka.

Befelatanana : tsy ampy ny mpitsabo misahana ny fakana singa momba ny Covid-19

0
90 hatramin’ny 100 isan’andro ny olona hakana singa na hanaovana Prélèvement momba ny Covid-19 etsy Befelatanana. 4 isan’andro ankilany ny mpitsabo misahana izany ka mampitarazoka ny fandraisana an-tanana ireo olona tonga eny an-toerana.

CNIDH : « tokony hojeren’ny fitsarana manokana ny famonjana ireo voaheloka »

0
Tokony hojeren’ny fitsarana manokana ny mahakasika ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona nanao heloka hoy ny teo anivn’ny CNIDH androany manoloana ny fahafenoan’ny fonja eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy tokony hampitarazoka ny fitsarana ihany koa ireo mpitsara mba tsy hampifangaro ireo meloka sy ireo miandry fitsarana mba hampanajana ny zon’olombelona raha ny fanazavana hatrany.

Kaominina 20 : nisitraka ny drafitra fanajariana ny tany (SAC)

0
Kaominina 20 eto amin’ny faritra Analamanga no nisitraka drafi-panajariana kaominaly na ny schémas d’aménagement Communal androany. Tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny ministeran’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny GIZ, eo ihany koa ny mpiaram’iombon’antoka samihafa no nahafahana nanatontosa izany. Ity farany izay zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny kaominina anatin’ny ady manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

« Vary mainty » : efa misy eto Madagasikara

0
Efa misy mamboly eto Madagasikara ny karazam-bary antsoina hoe «  vary mainty » izay miavaka eo amin’ny lokony sy ny tsirony. Ao amin’ny faritra Vakinankaratra no ahitana fambolena azy hatreto izay manomboka mivelatra tsikelikely. Ity kazaram-bary ity izay miavaka eo amin’ny fofony sy ny lokony.

Traboina

0
10 hatramin’ny 15 andro ny fepotoana tokony hijanonan’ireo traboina vokatry ny hai-trano teny Anohatapenaka voalohany etsy amin’ny kianjan’ny Havana 67 Ha hoy ny teo anivon’ny BNGRC. Tsy azon’izy ireo atao intsony ankilany ny fanorenena trano hazo hisorohana ny fahamaizana toy izao. Miantso ny tomponandraikitra hijery azy manoloana io ireo traboina an’arivony izay milaza ho tsy manana hosarangotina intsony taorian’ny fahamaizana nitranga.

Mpiasam-panjakana

0
Namoaka fanambarana ny ministeran’ny asa, ny fampananan’asa , ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy androany fa mijanona avy hatrany amin’ny asa an’ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana . Tafiditra anatin’ny fepetra miaraka amin’ny  fahamehana ara-pahasalamana izao raha ny naoty nivoaka androany. 

MAE Communiqué

0
Nahazo fanohanana avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC I Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy Glorieuses, Juan de Nova , Europa ary  Bassas da India.  Fanohanana amin’ny fanantanterahana ireo fehin-kevitra nivoitra nandritry ny filankevitry ny minisitry ny OUA fa anatin’ny sisintanin’i Madagasikara ireo nosy ireo. 

Conseil des ministres

0
Mitohy ao anatin’ny 15 andro indray ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara nanomboka omaly 27 jona 2020. Izay no tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra notontosaina omaly.