mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 juin 2020

Ady atao amin’ny kolikoly : nampitombo traikefa tao anatin’ny fihibohana ny BIANCO

0
Nitohy hatrany ny ady atao amin’ny kolikoly nandritrany fihibohana ho an’ny teo anivon’ny BIANCO. Anto-taratasy maro no voaran’izy ireo nandritra izany, ary hiverina ny fanohizana ny fanadihadihana ho an’ireo raharaha teo aloa raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Antenimierampirenena : mitohy ny fandraisana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta

0
Mahomby ny fomba fiasa napetraky ny fitondram-panjakana manoloana ny ady amin’ny coronavirus hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka androany nanoloana ireo Solombavambahoaka. Hamafisina ny ady na amin’ny Coronavirus na amin’ireo aretina hafa amoizana aina eto Madagasikara raha ny fanazavana.

RIJASOA ANDRIAMANANA JOSOA : noesorina tsy ho minisitry ny MENETP

0
Taorian’ny resabe nandeha tao amin’ny tambazotran-tserasera mikasika ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny tsy tokony ho izy , araky ny didim-panjakana laharana faha 2020-597 , taorian’ny filankevitry ny minisitra notontosaina androany, nesorina tsy ho minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara –teknika sy arak’asa I Rtoa Rijasoa Andriamanana Josoa. Misolo toerana azy vonjimaika eo am-piandrasana ny fanendrena vaovao ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara –tsiansa ASSOUMACOU Elia Béatrice.

CUA : niroso tamin’ny fanakatonana ireo fanotofana sy fanorenana tsy ara-dalàna CUA

0
Nidina ifotony ary niroso tamin’ny fanakatonana ireo fanotofana sy fanorenana tsy ara-dalàna ny ao anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra androany. Fametrahana ny fampanajana ny lalàna sy ny fametrahana ny hasin’ny tananan’Antananarivo no tanjona.

Solombavambahoaka – IRD : antony ara-politika no hanoheran’ny sasany ny Kianja Masoandro

0
Antony ara-politika no hanoheran’ireo fikambanana sy antoko politika ny fanamboarana ny Kianja Masoandrpo eny amin’ny Rovan’Antananarivo hoy ny Solombavambahoaka IRD. Fanoherana be fahatany no ataon’ny mpanohitra ankehitriny raha ny fanazavana.

EDBM : nanao tatitra teny amin’ny Antenimierampirenena

0
Voakasika manokana ary misedra ny vokatry ny Covid 19 ny sehatra ara-toekarana eto Madagasikara, na ny ara-dalàna na ny tsy ara-dalàna raha ny tatitra nataon’ny tomponandraikitry ny EDBM teo anivon’ny Antenimerandoholona androany. Ilaina hoy ny fihohan’ny Antenimeradoholona ny fahafantarana ireo akon’ny ara-sosialy fa indrindra ny ara-toekarena izay aterak’ity valan’aretina ity.