Archives quotidiennes: 8 juin 2020

Nosy Be : tonga ny fiara sy benne avy amin’ny mpitondra fanjakana

0
Taorian’ny fangatahana natao, tonga ao Nosy Be ny fiara vaventy sy Benne hanampiana amin’ny fanadiovana ny tanàna. Ny fahadiovan’ny tanàna izay endriky ny fampandrosoana sy antoky ny fahasalamana indrindra amin’izao ady atrehina amin’ny fiparitahan’ny COVID 19 izao.

Fetin’ny Reny : samy nanana ny nanamarihany azy ny isan-tokantrano

0
Taorian’ny Nathalie, izay tranga manokana ary isan’ireo reny miady mafy amin’ny fiainana. Pejy hafa indray no harahintsika izay tafiditra ao anatin’ny fetin’ny reny hatrany. Ny ambiansy tao amina tokantrano iray nandritra ny fankalazana ny fetin’ny reny androany, ny fijoroana vavolombelona nataona renim-pianakaviana iray.

FIDA : mitaky vokatra bebe kokoa eto Madagasikara

0
Taorian’ny atrik’asa nasionaly hanaovana jery todika ny asa vita sy izay mbola hatrehina, nanamafy ny eo anivon’ny FIDA na ny Fonds International du Développement Agricole eto Madagasikara fa mbola maro ny ezaka tsy maintsy hatao. Isan’izany ny fijerena manokana ireo tena marefo, ny fahafahan’ireo tantsaha misitraka famatsiam-bola ary indrindra ny fanamafisana ny fahaiza-manao hampaharitra ny asa natao.

RAZAIHARIMANANA Nathalie : maniry ho sitrana hahafahany mamelona ny ankohonany

0
Amin’izao fetin’ny Reny izao, maro ireo renim-pianakaviana misedra ny mafy, manao izay ho afany hahafahany mikarakara ny ankohonany. Misy anefa ireo tsy afa manoatra, toa an’i RAZAIHARIMANANA Nathalie, renim-pianakaviana, malemy ary tsy mahetsika eo ambony fandriana efa ho herintaona izao. Ny momba azy no hotanterina anatin’ity fanadihadiana ity.