mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 juin 2020

MATP : hamafisina ny fanamboaran-dalana any amin’ireo faritra mpamokatra

0
Nitohy ny tapany hariva teo ny fihaonan’ny Antenimierandoholona sy ireo mpikamban’ny governemanta. Minisitera 3 lehibe no nanao tatitra sy namelabetra ny tanjony amin’ity taona 2020 ity.  Raha tsy nivoana tamin’ny fanamboaran-dalana ny fanontaniana napetraky ny Loholona ho an’ny minisitry ny fanajariany ny tany sy ny asa vaventy, nifantoka tamin’ny Tanamasoandro ny resaka ho an’ny minisitra lefitra misahana ny toeram-ponenana sy ny tanana vaovao. 

Mpiasa vehivavy avy any Koweït : nigadona teny Ivato ny hariva teo

0
Ny hariva teo tamin’ny 6 ora sasany no nigadona teny amin’ny seranam-piara-manidin’Ivato ireo mpiasa vehivavy Malagasy miisa 176 avy any Koweït niaraka tamina zazakely iray.  Hatoka-monina mandritra ny 14 andro eny Vontovorona ireo vehivavy miisa 164 tonga avy any Koweit ny hariva teo fo fitandroany ny fahasalamana.

Sehatra tsy miankina : hihaona amin’ny governemanta ny alakanisy ho avy izao

0
Miandradra vahaolana ireo sehatra tsy miankina manoloana ny fatiantoka aterak’ilay valan’aretina coronavirus izay miteraka fatiantoka 100% amin’ireo sehatra maro. Ny alakamisy ho avy izay ny fihaonana manaraka eo amin’ny filohanan’ny repoblika sy ireo sehatra tsy miankina, ka ny plan d’urgence multisectoriel no tena hivoitra mandritra izany.

Niroso tamin’ny fanesorana ireo fivarotana tsy ara-dalàna

0
Taorian’ny fampilazana natao, niroso tamin’ny fandravana ireo trano fivarotana tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Trano tsy ara-dalàna miisa 10 teny Analakely sy Soarano no narodana androany. Famerenana ny ara-dalàna sy ny hasin’ny tanàna hatrany no tanjona.  

notoloran’ny OIT fanampiana ireo olona manana fahasembanana

0
Olona manana fahasebanana miisa 12 teo anivon’ny CNFPPSH ka efa nahatafatsangana ny orinasany ho an’ny tenany manokana no notoloran’i OIT fanampiana eo amin’ny lafiny fitaovana tamin’ity androany ity manoloana ny olana iainan’ny mpiasa ao anatin’izao fisian’ny valan’aretina Coronavirus izao.