vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 juin 2020

Lalam-pirenena faha-9 : hanomboka amin’ity taona ity ny asa fanamboarana

0
Hatomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9, araky ny nambaran’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy nandritry ny fidinana ifotony notontosainy tany Toliara omaly. Ankoatr’izay efa misy ihany koa ny lamina mikasika ny fanamboarana lalampirenena faha-13.

Volavolan-dalàna momba ny toaka gasy : lany teny amin’ny Antenimierampirenena

0
Lany teny anivon’ny antenimierampirenena ny hariva teo ny volavolan-dalàna momba ny fanamboarana sy famarotana ny toaka Gasy. Ny fanandratana ny maha-malagasy, ny fampidirana ity sehatra ity ho ao anatin’ny ara-dalàna, izay no antony nandaniana izany hoy ireo Solombavambahoaka.

Fampidiran- ketra : tsy tratra ny tombana napetraka

0
Vokatry ny covid -19, tsy tratra ny tombana amin’ny fampidiran-ketra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ho amin’ity taona 2020 ity raha ny fanazavan’ny tale Jeneralin’ny Hetra androany. Manodidina ny 75 miliara ariary ny vola tokony hiditra fa tsy niditra vokatry ny fepetra napetraka ho an’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany , fitaterana an’habakabaka ary ny orinasa hafak’haba.

Kaly tsinjo : hozaraina sakafo maimaim-poana ireo marefo

0
Ho tanterahina eto an-drenivohitra, any Androy sy ireo faritra hafa any atsimon’ny Nosy, ary any Toamasina sy Fianarantsoa ny tetik’asa Kaly tsinjo hanomezana sakafo maimaim-poana ho an’ireo sokajin’olona marefo mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao. Hisy kosa ny famerenan’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy indray ireo olona sokajiana ho marefo ireo eny anivon’ny fiaraha-monina aorian’ny fandalovan’ny valan’aretina coronavirus.

Mpisoloky Banky : olona 07 no saron’ny mpitandro filaminana

0
Olona miisa fito mianadahy, vehivavy ny 02 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany voalohany etsy Analakely noho ny resaka fanodikodinana vola mitentina 20 Tapitrisa Ariary tao amina banky iray teto an-drenivohitra. Natolotra ny Fampanoavana androany izy 07 mianadahy ireo.

EITI : afa-po amin’ny ezaka ataon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana

0
Namoaka fehin-kevitra naneho ny fahafaham-pony amin’ny ezaka ataon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny EITI International na ny « Extractive Industries Transparency Initiative ». Na izany aza, mbola maro ny ezaka tsy maintsy hatao hahazoan’ny rehetra tombony amin’ny fitrandrahana eto amintsika.