Archives quotidiennes: 23 juin 2020
« Système pyramidal » : endrika fisolokiana malaza
Miparitaka ao amin’ny tambazotra tserasera ny système pyramidal amin’izao fotoana izao. Fahazoam-bola miendrika fitaka sy fanambakana na escroquerie izany raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna. Voararan’ny lalàna ny fanaovana izany any am-pitan-dranomasina raha toa ka mbola tsy misy kosa ny lalàna mifehy izany eto amintsika.
Fanitsiana rafitra ny Tafika Malagasy : nandray ny Faneva ireo lehiben’ny Etamazaoro
Notontosaina androany ny lanonana ara-miaramila fanolorana faneva ireo lehibe ny etamazaoro ny tafika malagasyn izat tafiditra indrindra ami’ny fanitsina ny rafitsin’ny Tafika Malagasy. Lanonana izay notronin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny lehiben'ny foloalindahy Malagasy.
Mpisehatra eo amin’ny BTP : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha
Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry RAJOELINA notronin'ireo mpikambana avy eo anivon'ny governemanta niaraka tamin' ireo mpisehatra ao anatin'ny BTP. Vonony ny hifanome tanana amin’ny mpandraharaha ny fitondram-panjakana raha ny nambaran’ny filohampirenena, ary ny orinasa Malagasy no ho lohalaharana amin’ireo tsenabarom-panjakana manomboka izao.
Fitsarana : tsy vahaolana ny fametrahana am-ponja « systématique »
Tsy vahaolana ny fametrahana amponja « systématique » hoy ny minisitry ny fitsarana androany teny Faravohitra. Tokony hametraka mazava ny fomba fiasa ireo mpitsara hoy hatrany izy manoloana ny fahafenoan’ny fonja manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.
Conseil National de la Vanille : minisitera 9 no hifarimbona hanatsarana ny seha-pihariana
Ao anatin’ny fanatsarana ny sehapihariana lavanila, hanomboka ny fiandohan’ny volana jolay ny fivoriambe voalohan’ny CNV na ny CONSEIL NATIONAL DE LA VANILLE izay handrindra ny sehapihariana lavanila. Minisitera 9 no hiara-hifarimbona amin’izany ka hojerena ny hitazonana ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny Vanille Malagasy izay miharatsy ny kalitaony.