Archives quotidiennes: 25 juin 2020

Valan’aretina Coronavirus : tandindomin-doza ireo voafonja

0
Isan’ny vahaolana amin’ny fahafahana mametra ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus any anaty fonja eto Madagasikara ny fanenana ny isan’ireo voafonja. Ilaina araka izany ny famotsorana ireo olona tsy mbola voatsara any anaty fonja raha ny nambaran’ny mpiaro ny zon’olombelona.

GASYCAR : naseho tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny endriky ny fiara GASYCAR, izay hovokarin’ny firenena malagasy. Tsy latsa-danja amin’ny fiarakodia vokarin ‘ireo firenen-dehibe any ivelany ny GASYCAR hoy ny filohan’ny repoblika. Ankoatran’ny fiarakodia, misy ihany koa ny MOTO marque GASYCAR, izay naseo tamin’ny fomba ofisialy androany ary ho tazana mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena.

FANDANIANA NY LFR 2020 : tsy nisy nitsipaka ny solombavambahoaka

0
Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena androany ny volavolan-dalàna laharana 009/2020 mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020. Resy lahatra tamin’ny votoatin’ny LFR 2020 ny ankamaroan’ny solombavambahoaka ka 94 no nandany azy taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Fankalazana ny fetim-pirenena : hentitra ny rindran-damina eny Analakely sy ny manodidina

0
Hentitra ny rindran-damina eny Analakely sy ny manodidina mialoha sy mandrindra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Eo amin’ny fitandrona ny filaminana, misy ny fepetra manokana hapetraka eny an-toerana, ary maherin’ny 4 000 no hiparitaka manerana ny Nosy tanterahan’ny EMONAT.

Trano may teny Andohatapenaka I: manodidina ny 400 ireo fianakaviana traboina

0
Manodidina ny 400 ireo fianakaviana traboina vokatry ny haintrano nitranga omaly teny Andohatapenaka I, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny BNGRC. Olona roa ihany koa no fantatra fa naratra. Tamin’ity androany ity, natoby teny amin’ny kianja akaikin’ny Havana ireo fianakaviana ahafahana manampy azy ireo.

Akoho amam-borona: miditra fatiantoka ireo mpivarotra

0
Mangina ny tsena ho an’ireo mpivarotra akoho amam-borona amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena izao. Miditra fatiantoka ireo mpivarotra raha ny fanadihadiana natao teny an-tsena androany.