vendredi 29 mars 2024
Accueil 2020 juin

Archives mensuelles: juin 2020

EDBM : nanao tatitra teny amin’ny Antenimierampirenena

0
Voakasika manokana ary misedra ny vokatry ny Covid 19 ny sehatra ara-toekarana eto Madagasikara, na ny ara-dalàna na ny tsy ara-dalàna raha ny tatitra nataon’ny tomponandraikitry ny EDBM teo anivon’ny Antenimerandoholona androany. Ilaina hoy ny fihohan’ny Antenimeradoholona ny fahafantarana ireo akon’ny ara-sosialy fa indrindra ny ara-toekarena izay aterak’ity valan’aretina ity.

Ady amin’ny Covid- 19 : ilaina ny fanajana ny fepetra

0
Faritra ahitana tranga voamarina betsaka indrindra tao anatin’ny herinandro izay ny faritra Atsinanana. Tsy voahaja hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana ny fepetra , antony anaovan’izy ireo antso avo amin’ny vahoaka mba hifanampiy amin’ny fitondram-panjakana iadiana amin’ny fipariahan’ny valanaretina.

MADAGASIKARA : mitohy ny hamehana ara-pahasalamana

0
Mitohy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 eto Madagasikara araka ny fantatra nandritra ny tafa nifanaovan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara tamin’ny vahoaka Malagasy omaly. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamboarana ny rova ihany koa ny filoha ary nambarany tamin’izany fa tombontsoa maro no ho azon’i Madagasikara amin’ny fahavitan’ny Rova indrindra eo amin’ny lafiny fizahantany.

Fiara fitateram-bahoaka : tsy mbola niova ny ora fiasana

0
Tsy mbola miova ny ora fiasan’ireo fiara fitateram-bahoaka toy ny taxibe sy ireo taxi tao aorin’ny fanambarana nataon’y filoham-pirenena ny amin’ny fanemorana ny ora fiasana amin’ny 3 ora manomboka rahampitso. Tsy mbola nisy hoy ireo nanaovana fanadihadiana ny fampilazana ny fiovan’ny ora fiasan’izy ireo.

Lalana : samy manana ny ambaratongam-pahefana miandraikitra azy

0
Efa mihatra ny lalàna mifehy ny lalana eto Madagasikara. Mizara 3 mazava tsara ny anjara andraikitra amin’ny fanamboarana na fanavaozana ny tambazotran-dalana rehetra. Ao ny lalam-pirenena, misy ny lalam-paritra ary eo ihany koa ny lalana kaominaly. Mizara tahak’izay ny ambaratongam-pahefana misahana ireo.

Toamasina : « Tuctuc » miisa 19 no naiditra fourrière

0
Fitaterana ao antampon-tanànan'ny Toamasina Renivohitra Tuctuc miisa 19 no naiditra fourrière, raha ny tatitra avy any an-toerana. Ny tsy fanajana ny fepetra napetraka no anton’io raha ny fanazavana.

Toamasina : tonga any an-toerana ireo miaramila 250 hanampy ny ady ny Covid-19

0
Miaramila 250 indray no  nigadona any Toamasina io maraina io miaraka amin'ireo fiara tsy mataho-dalana, hanampy amin'ny fiadiana amin'ny valan'aretina coronavirus ary hanampy ihany koa amin’ny fampandriana fahalemana.  Ny 50 amin'ireo no miaramila mpitsabo. Maharitra 15 andro faharetan'ny iraka nampanaovina ireto andia-miaramila ireto ao Toamasina.

Fifohana sigara : olona 7 tapitrisa isan-taona no maty

0
Olona 7 tapitrisa isan -taona no maty manerantany vokatry ny fifohana sigara. Raha ny eto Madagasikara, mihabetsaka ireo tanora mifoka sigara. 31 Mai : andro manerantany tsy hifohana sigara sy tsy hihinana paraky na ny journée mondiale sans tabac. Ho amin'ity taona ity, ny fiarovana ny tanora amin'ny paikadin'ny indostria mpamokatra sigara. Izay no lohahevitra entina manamarika izany.

Fanamarihana ny Pentekoty : hentitra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana

0
Tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny andron’ny Pentekoty androany. Ankoatran’ny toriteny manokana noraisin’ny Fiangonana hankalazana ny filatsahan’ny fanahy masina tamin’ireo Apostoly. Niavaka ny fandaminana amin’ny ankapobeny ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid-19. Narahana ohatra ny fandraisana hafanana teo am-pidirana, toy izay ihany koa ny fanasana tanana tamin’ny « Gel  Désinfectant » ary voatazona ambonin’izay ny isan’ny mpiangona izay noferana manodidina ny 50.