vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 1 juillet 2020

Teny Malagasy : misy ny ezaka azo tsapahin-tanana

0
Mbola maro ireo teny malagasy izay tsy voarakitra ao amin’ny rakibolana malagasy,  eo ihany koa ny tsy fifehezan’ny maro ny teny malagasy indrindra ireo aty an-drenivohitra. Raha ny tsikaritra efa miverina tsikelikely ihany  na lanjan’ny teny Malagasy eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.  

LFR 2020 : lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona

0
Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona androany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020. Ny mahakasika ny REINSERTION BUDGETAIRE na ny fanoratana ny ampaham-bola tokony hositrahan’ny Loholona eo anivon’ity andripanjakana ity avy hatrany no nitondran’izy ireo fanitsiana.

PHARMALAGASY : hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany

0
Hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany tontosain’ny Pharmalagasy,  araky ny nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA nandritry fidinana teny amin’ity  ozinina hanao ny famokarana fanafody eto Madagasikara toy ny Cvo + ity  androany. Etsy ankilany, nambaran’ny Filoha fa efa mande amin’izao fotoana izao ny andrana clinique na ny (essaie clinique) in Vivo sy in vitro amin’ny gélule cvo +, mialohan’ny hanatontosana ny andrana amin’ny olombelona.

Madagasikara : hapetraka ny « Plateforme Huiles Essentielles »

0
Tontosa androany ny fihaonana teo amin'ny Ministera sy ireo orinasa miisa 55 mpikambana ao amin'ny GEHEM manerana an'i Madagasikara. Fihaonana izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana rindran-damina vaovao entin'ny Ministera hanatanterahana ny vinan'ny Filohampirenena : "Madagasikara maitso". 

« Borne fontaine » : ho 20 Ariary ny vidin’ny rano 20 litatra amin’ireo boriboritany 6

0
Tontosa androany ny fampafatarana amin’ny foba ofisialy  ny tetik’asa Avotr’Aina , izay fiarahamiasa ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ny ministera ny rano sy ny UNICEF. Ao anatiny 3 volana ho  avy,  20 ariary ny vidin’ny rano  20 litatra  na 1 bidon eny amin’ireo fotodrafitrasa mamatsy rano ho an’ny daholobe na ireo atao hoe « borne fontaine »  amin’ny boritany 6 eto Antananarivo.    

BENAIVO Andrianaly Narcisse : izy no hisolotena ireo Solombavambahoaka eny amin’ny CENI

0
BENAIVO Andrianaly Narcisse no nosafidin’ireo Solombavambahoaka hisolotena azy ireo eny anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana CENI, araka ny fifidianana notanterahin’ireo Solombavambahoaka androany teny amin’ny fivoriana ara-potoana. Hisolo ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI avy hatrany izy ary hanapitra ny fepotoam-piasana hatramin'ny volana oktobra 2021. Na teo aza ny fifanolanana nisy teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mahakasika ny fanatanterahana ny « Vote par procuration » ho an’ireo Solombavamlbahoaka tsy tonga, nizotra ampilaminana ny fifidianana.