Archives quotidiennes: 2 juillet 2020

Taratasy famindram-panànana avy amin’ny fandovàna fahafatesana : tsy andoavam-bola ny fikarakarana

0
Fepetra tafiditra anatin’ny vahaolana eo amin’ny sehatra sosialy eto amin’ny firenena manoloana Covid-19, tapaka nandritry ny filan-kevitry ny minisitra ny 24 jona 2020 teo fa tsy handoavam-bola hatramin’ny 31 desambra 2020, ny fikarakarana taratasy momba ny famindrana ny fanànan-tany avy amin’ny fandovàna, tsy hisy ihany koa ny fampiharana sazy amin’ny fikarakarana fanoràtana na famindrana fanànan-tany hatramin’io daty io.

Toamasina : nitokona ireo mpitondra « Taxi brousse »

0
Niverina nitokona indray indray mpitatitra rezionaly miasa ao Toamasina androany teny Tanambao faha 5. Antony raha ny fanazavana ny fangatahan’izy ireo ny hanokafana ny zotra rezionaly ao anatin’ny faritra. Rahampitso nampanantena ny hanome valinteny ireto mpitatitra ireo ny eo anivon’ny faritra Atsinanana raha ny zava-nisy androany.

Code de nationalité Malagasy : lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona

0
Nankatoavin'ireo Loholona androany teny Anosikely ny tolo-dalàna manovana ny ampahany amin'ireo lalàna mamaritra ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy. Ny fanovana ny ampahany amin'ity lalàna ity izay manan-danja lehibe mba hamongorana ny fanavakavahana amin'ny lafiny maro. Ho alefa eny anivon’ny Antenimierampirenena araka izany ity tolo-dalàna ity.

CENTRE MEDICAL COVID-19 : nanomboka niasa avy hatrany

0
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny CENTRE MEDICAL COVID-19 nataon’ny Filohan’ny Repoblika, nanomboka nandray olona avy hatrany ny ivon-toerana.  Anjatony ny olona tonga teny an-toerana ka nahatonga ny filaharana lavareny. Ankoatra ireo nampiseho ny soritr’aretina momba ny Covid-19, olona hijery ny toe-pahasalamany  manoloana ny fitombon’ny tranga ny ankamaroany.

CENTRE MEDICAL COVID-19 : hatomboka ny fanaovana « Essai clinique »

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny CENTRE MEDICAL COVID-19 eo amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Ankoatry ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo mila fitiliana sy fitsaboana momba ny Covid-19, hisahana avy hatrany ny fanaovana ESSAI CLINIQUE voalohany eto Madagasikara ny CENTRE MEDICAL COVID-19  hoy ny filohan’ny Repoblika androany.