samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 juillet 2020

Faktiora JIRAMA : namafisina ny fanaraha-maso ireo « releveur »

0
Anatin’ny iray andro,  miisa 200 ireo compteur angalana maridrefin’ny fandaniana  izay ataon’ny mpiasa iray eo anivon’ny JIRAMA.  Nidina ifotony nanara-maso  ny fomba fiasan’ireo releveur ny tale jeneralin’ny orinasa, omaly. 

Gazety an-tsoratra : niova “ en ligne ” ny fizarana vaovao

0
Mitohy ny asa fanomezam-baovao ho an’ireo gazety an-tsoratra na eo aza ny tsy ahafahan’izy ireo mivarotra izany manolohana ny valan’anaretina coronavirus. Ireo fitaovan-tserasera moderina sy teknolojia vaovao indray no ampiasain’izy ireo hizarana vaovao ankehitriny.

Toamasina : manomboka ny asa fanamboaran-dalana

0
Manoloana ny fahasimban’ny lalana ao an-tampontananan’i Toamasina, nanomboka androany ny asa fanarenana rehetra mahakasika izany izay natomboka tao Ambalamanasy ihazo an’i Bazary Be. Hizara roa mazava tsara ny asa fanamboarana raha ny fanazavana.

Coronavirus : manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fitiliana ao amin’ny « IPM »

0
Manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fanaovana ny  fitiliana  ny valan’aretina Coronavirus ao amin’ny Institut pasteur de Madagascar raha ny angom-baovao natao andronay. Tsy manao fitiliana sigana mivantana kosa ny eo anivon’ny Centre d’infectiologie Charles Mérieux.  Efa misy ihany koa amin’izao fotroana izao orinasa tsy miankina mivarotra test TDR amin’ireo orinasa izay manana  « structure médicale »  ka 54.000 Ariary ny iray amin’izany. 

COVID-19 : miankina amin’ny soritr’aretina ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana

0
Ny fisehon’ny valan’aretina amin’ny marary no handraisan’ny Centre Médical Covid-19 Andohatapenaka ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana. Ny marary anatin’ny fahasarotana no tazonina eny an-toerana ary afaka hanaovana ny fitsaboana araha-maso na ny Essai clinique. Ny marary tsy ahitana soritr’aretina goavana no afaka tsaboina any an-trano, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Isany mampitaraina ny maro hatrany ankilany ny fiandrasana ny valin’ny fitiliana izay mitarazoka tsy araka ny fanamby napetraka.

GEM sy FIVMPAMA : mangataka ny hanatontosana fitiliana faobe

0
Mangataka ny hanaovan’ny fitondram-panjakana fitiliana faobe eny anivon’ny orinasa tsirairay ny Groupement des Entreprises de Madagascar sy ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy. Efa nampiozina ny fepetra fiverenana amin’ny fihibohana tanteraka nohon’ny fitombon’ny isan’ ireo tratry ny Covid-19 Madagasikara hoy izy ireo. Manoloana izany anefa, angatahan’ny mpandraharaha ny hananganana kaomisiona hijery vahaolana ho an’ny orinasa tsy miankina.