vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 juillet 2020

Toamasina : hentitra ny fanaraha-maso ny fifamezivezena ivelan’ny faritra

0
Niha nahazo vahana ny taxi-moto mpitatitra olona antsokosoko mivoaka ny lalanam-pirenena faha-2 tato ho ato. Manoloana io, nanao be midina ireo mpitandro filaminana androany nanara-maso ny zava-misy. Hentitra ny fanaraha-maso any Toamasina amin’izao fotoana izao ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus.

Mpanjono an-tsokosoko : mirongatra amin’izao vanim-potoana izao

0
Mirongatra ny fanjonoana an-tsokosoko amin’izao fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izao. Mampiasa fomba maro samihafa ireo mpangalatra hanatanterahana ny asa ratsiny, toa ny tranga tao Nosy Be Hell Ville.

Andry RAJOELINA : tsy marina ny filazana fa voan’ny Coronavirus ny tenany

0
Namoaka fanambarana ary nandiso ny filazana sy ny vaovao miely fa voan’ny Coronavirus ny filoha RAJOELINA Andry ny teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nambaran’izy ireo ihany koa fa teto antanindrazana ihany ny filoha ary tsy mbola nivoaka an’i Madagasikara nanomboka nisian’ny valan’aretina Coronavirus.

Kidnapping : lavon’ny mpitandro filaminana i « Man » mpaka an-keriny

0
Lavon’ny balan’ny zandarimariam-pirenena i RANDRIAMIHANTANIRINA Jasmin fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Man. Ity jiolahy ity izay isan’ireo atidoha nikotrika ny fakana an-keriny niaraka tamn-dry Lamà. Efa hatramin’ny taona 2000 no nikarohana azy ary izao lavon’ny mpitandro filaminana izao.

COVID-19 : entitra ny fanara-hamaso mivoaka sy ny miditra an’Analamanga

0
Entitra ny fanara-hamaso ny fivoahana sy ny fidirana ny faritr’Analamanga nanomboka ny Alatsinainy lasa teo. Ireo manana anton-dia mazava sisa no mifamezivezy raha ny fanadihadiana teny anivon’ny Barrage Sanitaire Ambatomirahavavy. Mialohan’ny fizahana eny anivon’ny Barrage Sanitaire, isany antontan-taratasy takian’ny mpitandro ny filaminana ny fanamarinam-ponenana na ny karapanondro. Lesoka amin’ny fanatanterahana ny asa araka ny tokony ho izy ankilany ny tsy fahampiana ara-pitaovana.

Autisme Madagascar : mangataka ny fanokafana ireo toby fandraisana an-tanana ny Autiste

0
Ahiana ho very avokoa ny fampianarana natao tamin’ny ankizy manana fahasamihafana na autiste nandritry ny fotoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana. Antony, tsy mety amin’ny Autiste ny mihiboka tanteraka raha ny fanazavana. Mangataka arak’izany ireo tomponandraikitra eo anivon’ autisme Madagascar ny hanokafana ireo toby manokana fandraisana an-tanana ireo olona manana fahasamihafana indrindra ireo ankizy, ho fitsinjovana azy ireo sy ny fianakaviny.