Archives quotidiennes: 10 juillet 2020

Ampamoholambo – Ambatondrazaka : Omby miisa 9 lasan’ny jiolahy

0
Omby miisa 9 no lasan’ireo jiolahy nandritran’ny fanafihana nataon’izy ireo tao amin’I Tanànan’I Ampamoholambo distrikan’Ambatondrazaka. Ny sefo fokotany any an-toerana no ahiahihan’ireo fokonolona ho mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy  nandritra ity fanafihana ity. 

Fasana Anjanahary : 60 000 Ariary isan-taona ny hofan’ny « fosse provisoire »

0
60 000 Ariary isan-taona  ny hofan’ny « fosse provisoire » eny Anjanahary araka ny tapaka teo amin’ny filankevitry ny tanàna. Ny Alatsinainy teo ka hatramin’ny  androany, miisa 4 ny fangatahana fandevenana eny amin’ny fasana Anjanahary  voarain’ny BMH. Malalaka ny toerana eny Anjanahary raha ny fanazavana hatrany. 

Plan Multisectoriel d’urgence : 3 170 miliara Ariary ny vola hanatanterahana azy

0
Vola mitentina 826,09 tapitrisa dolara no hatokana hanatantehana ny Plan Multisectoriel d’urgence Madagascar, hitondrana vahaolana eo amin’ny lafiny fahasalamana, sosialy, fampianarana ary toekarena amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, ato anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Maherin’ny  982 miliara Ariary amin’io vola io na 255,92 tapitrisa dolara no mbola tadiavina. 

Vaomiera manokana hisahana ny fiampangana : afaka miasa avy hatrany

0
Tsy mila miandry ny fotoam-pivoriana fa afaka miasa avy hatrany ilay vaomiera manokana hisahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo eny anivon’ny Antenimierampirenena ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana. Ilana fotoana maharitra ny fandinihana ireo antontan-taratasy ireo mialoha ny handrosoana azy eo anivon’ny fivoriam-be hankatoavana ny fanohizana ny fanenjehana.

CRCO Analamanga : nanomboka androany ny fizarana ny tambavy CVO

0
Nanomboka tamin’ity androany ity ny fizarana ny tambavy CVO izay nokarakarain’ny Centre Régional de Commandement Opérationnel. Nanombohana izany ny tao amin’ny Boriborintany I sy faha-V izay isan’ny faritra ahitana olona voan’ny Cronavirus maro eto Antananarivo.