samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 13 juillet 2020

Ambatondrazaka

0
  Tohin’ny raharaha halatr’omby tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, tanànan’i Ampamoholambo, nahavoarohirohy sefo fokontany any an-toerana; ahiana hiteraka kotontana ny  famotsoran'ny zandary ilay sefo fokontany eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Tsy manaiky ny hivoahany ny mponina, antony raha ny fanazavana, efa misy hoy ny maro ny fandrahonana sy ny filazana fa misy olona ambony ao andamosin’ity lehiben’ny fokontany ity.

Ampefiloha Ambodirano : mitaky ny fanesorana ny sefo fokontany ny mponina

0
Mitaky ny fanesorana ny sefo fokontany eny an-toerana ny mponina etsy Ampefiloha Ambodirano. Tsy azo ekena intsony ny fanodikodinana ny fananan’ny fokontany, ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny maro sy ny marohafa, izay efa nanaovan’ny mponina tatitra nandritra ny taona maro. Androany no niroso tamin’ny hetsika fanairana ny ambaratongam-pahefana ireo mponina teny an-toerana. 

Palais de sport Mahamasina

0
Anomboka amin’ny herinandro no vinavinaina handray marary  « cas symptomatique » ny ao amin’ny lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina. Miaramila maro ihany koa no nanaraka fiofanana teny an-teoarana androany. Izy ireto izay  hiandraikitra ny fandrahana ranonam-panafody amin’ny toerana maro eto andrenivohitra  .

Ambalavao Isotry : raim-pianakaviana iray namoy ny ainy nandritra ny hain-trano

0
Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona no may kilan’ny afo vokatry ny firehetana trano lehibe iray teny Ambalavao Isotry omaly alina. Cours circuit tamina efitrano fitahirizana « Balle de Friperie » no nahatonga ny firehetana raha ny fanazavan’ireo niharam-boina. Potika avokoa arak’izany ny entana ho an’ireo ankohonana 9