samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 juillet 2020

Fetim-pirenena Frantsay : ilaina ny dinika momba ny Nosy malagasy, hoy ny masoivoho Frantsay

0
Androany faha-14 ny volana jolay ny fetim-pirenena Frantsay. Na eo aza ny Covid-19, nasongadin’ny Masoivohon’i La Frantsa nandritra ny lahateniny ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa mahakasika ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana. Io no handravonana ny tsy fitoviana raha ny fanazavany. 

Fampidiram-bola Kaominina

0
Mihena 50 hatramin’ny 90% ny vola niditra tamin’ireo kaominina Ambanivohitra hatramin’ny nidirana tao anatin’ny vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19. Vokatr’io misy amin’ireo kaominina no misafidy ny hikatona raha ny fanadihadiana natao androany.

Coronavirus : mifindra amin’ny fomba maro samihafa

0
Tsy voafaritra mazava ny fotoana mahavelona ny Covid amin’ny zavatra iray vao maty tanteraka ilay tsimok’aretina raha ny nambaran’ny teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana androany. Ilaina hatrany ny fitandremana sy ny fanarahana ny toromarika rehetra manoloana izany.

Covid-19 : mihoatra ny fetra isan’andro ny « singa » tonga eny amin’ny « Laboratoires »

0
Isany mampitarazoka ny fivoahan’ny valin’ny fitiliana ny fahabetsahan’ny «singa » tonga eny amin’ireo Laboratoire misahana ny fanatontosana fitiliana Covid-19.  Ho an’ny LA2M na ny « Laboratoire d'Analyses Médicales Malagasy » manokana ohatra, araky ny nambaran’ny tomponandraikitra androany, nandritry ny séance de briefing des médias sur le COVID 19 à Madagascar, saika avo roa heny amin’ny fetra zaka ihany ny singa tonga eny amin’izy ireo isan’andro.

CSI : tokony hatao isan-taona ny tatitry ny banky iraisam-pirenena

0
Tohin’ny raharaha 193 Tapitrisa dolara, fanampiana avy amin’ny banky iraisam-pirenena nisy nanodikodina teto Madagasikara ny taona 1990 hatramin’ny taona 2010, tokony hangataka ny fitsinjarana izany vola izany isan-taona ny fitondrana ankehitriny sy ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly hahafahana manamora ny fanadihadiana atao raha ny fanehoan-kevitry ny Comité pour la Sauvegarde de l'Intégrité.

CMC Andohatapenaka : mampitaraina ny maro ny fitarazohan’ny fandraisana eny an-toerana

0
600 hatramin’ny 800 isan’andro ny olona voarain’ny Centre Médical Covid-19 Andohatapenaka. Ankoatra ireo olontsotra hanao fizaham-pahasalamana, mpiasan’ny orinasa afak’haba eto Antananarivo sy ny manodidina ny ankamaroany. Isany mampitaraina ny rehetra tonga eny an-toerana ny fitarazohan’ny fandraisana azy ireo ka mitarika ny filaharam-be.