Archives quotidiennes: 16 juillet 2020

Corbillard : tsy maharaka nanomboka ny volana jolay

0
Tsy maharaka ny fiara fitondrana razana raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny toeram-panofana ireny Corbillard ireny nandritra ny herinandro nidirana anatin’ny fihibohona tanteraka. Ankoatran’ny maty vokatry ny aretina samihafa, maro ny namoy ny ainy noho ny valan’aretina Covid-19. Manomboka amin’ny 250 000 Ariary arakaraka ny lalana sy ny tolotra omena ny saran’ny fangalana ny Corbillard.

Toby fitsaboana fototra : efa manomboka ny fandraisana ireo marary

0
Olona maro no nitan-dahatra nanantona ny CSB II na ny toby fitsaboana fototra teny anivon’ny fokontany tamin’ity androany ity. Ny fahitan’izy ireo fa misy soritr’aretina ahiana ho Covid-19 no antony nanatonany ny tobim-pahasalamana. Efa eny anivon’ny CSB ihany koa ireo fanafody rehetra raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Covid-19 : nametraka lamina vaovao amin’ny fandraisana ireo marary ny CCO Ivato

0
Niverina namaritra ny paikady handrindrana ny fandraisana ny marary sy ny rehetra mangata-panazavana momba ny Covid-19 ny CCO Ivato taorian’ny lahateny nataon’ny filoha farany teo. Tapaka fa ny CENTRE DE TRAITEMENT rehetra no mandray ny tranga voamarina saingy tsy mampiseo soritr’aretina goavana na CAS MODERES sy ny CAS SYPTOMATIQUE. Ny hopitaly mandray mararin’ny Covid-19 rehetra kosa no mandray ny marary anaty fahasarotana na ny Forme Grave.

Fiara mpitatitra entana : niova ny fetra ny vesatra azo taterina amin’ny lalam-pirenena

0
Tapaka taorian’ny fangatahan’ireo fikambanana mpitatitra entana sy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, fa ampitomboana ny fetran’ny vesatra afaka taterin’ny fiara vaventy. Nihatra nanomboka androany io fiovana io ka hatramin’ny faran’ny taona 2020 izao. Napetraka io fepetra io ho fanohanana ny mpitatitra entana amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao.

Toamasina : napetraka ny « autoclave » ao amin’ny CHU Analakininina

0
Hisitraka ny fampiasana ny « Autoclave » lehibe  ny eo anivon’ny CHU roa tonta ao Toamasina, vokatry ny Fiaraha-miasan'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny PNUD. Hanampy amin’ny fandevonana ireo fako medikaly sy hanadiovana ireo fitavana fampiasa amin’ny fitsaboana aretina ity fitaovana ity raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra.

Fokontany Ankadivato : nitrangana savorovoro ny maraina teo

0
Nitrangana savorovoro teny amin’ny fokontany Ankadivato ny maraina teo, antony nolazain’ireo mponina fa tsy mahazo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana izy ireo noho ny ataon’ny sefo Fokontany. Nanambara manoloana izany ny tomponandraikitry ny fokontany fa manaraka ny fandaminan’ny fanjakana.

SOPHARMAD : hanatanteraka « dépistage massif » amin’ireo orinasa

0
Hanatanteraka fitiliana faobe momba ny Coronavirus eny anivon’ny orinasa ny SOPHARMAD hanampiana ny fanjakana amin’ny ady amin’ity valan’aretina ity. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanatanterahana izany.