Archives quotidiennes: 21 juillet 2020

Antsirabe : saron’ny Zandary ireo nisoloky ho mahavita vola tena izy

0
Saron’ny  Zandaramarim-pirenena avy eo anivon’ny brigade Andranomadio tao  Antsirabe  ireo olona 03 mpisoloky  milaza fa mahavita  manamboatra vola tena izy.

Fizahantany : tsy hanamaivana ny fiatrehana ny Covid-19 ny drafitra marolafy

0
Tsy hanamora ny fiatrehana ny Covid-19 ny drafitra marolafy na ny Plan Multisectorielle d’Urgence ho entin’ny fanjakana ho an’ny mpisehatra amin’ny Fizahantany, hoy ny Confédération du Tourisme de Madagascar. Raha ny 99 % n’ny mpiasa amin’ny fizahantany no efa very asa vokatry ny Covid-19 ankehitriny, 10 % n’ny mpiasa no voalaza fa hisitraka ny fanampiana raha ny voarakitra anatin’ny drafitra marolafy.  

Prefet Toamasina : nampitsahatra amin’ny fomba ofisialy ny “quarantaine” ao Ambatovy

0
Namoaka didimpanjakana ny prefektiora ao Toamasina omaly, nampitsahatra amin’ny fomba ôfisialy ny “quarantaine” ao amin’ny Ozinina Ambatovy. Mizotra miandalana ny fialana amin’ny fihibohana ao an-toerana izay efa nanomboka omaly ihany ary vinavinaina hotanterahina ao anatin’ny 7 herinandro ny dingana rehetra. 

Ambatondrazaka : manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana

0
Mitaraina ireo mponina ao amin’ny tanànan’Ambatondrazaka ankehitriny vokatry ny tsy fisihan’ny fahandriam-pahelamana any an-toerana. Mifanesy ary matetim-piseho ny fanafihana mitambasy any amin’izy ireo ary miafara amin’ny famonoana olona matetika izany. 

Maintirano : manjaka ny asan-jiolahy

0
Manjaka tanteraka any Maintirano amin’izao fotoana izao ny sakan-dalana ataon’ireo jiolahy. Mpitondra moto hamonjy ny kariera ao Ampizy kaominina Belitsaky Distrikan’i Maintirano no voa-tafikiny  dahalo miisa 08  lahy ny faran’ny herinandro lasa te. Lasa tamin’izany ny vola miaraka amin’ny entana maromaro. 

Ady amin’ny Coronavirus : tokony hifanome tanana ny mpanao politika

0
Fotoana iray tokony hifanomezan-tanana amin’ny fiaraha-mientana manoloana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus ny vanim-potoanana iainantsika izao raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny CFM androany. Tokony hanova fomba fijery sy fomba fanao ireo mpanao Politika.